Manomboka miravona tsikelikely ankehitriny ny fiainam-pirenena malagasy taorian’ny zava-nisy sy nitranga teto Madagasikara hatramin’ny taona 2009. Vita soa aman-tsara mantsy ny fifidianana filoham-pirenena ilay ambara fa hany lalan-tokana hivoahantsika amin’ny krizy lavareny nanapotika ny fiainam-bahoaka 22 tapitrisa.
Na dia tsy voahaja tanteraka aza ireo fepetra ilaina amin’ny fanekena ny voka-pifidianana madio sy mangarahara dia efa miroso amin’ny dingana manaraka ny fitondrana vaovao tarihin’ny filoha Rajaonarimampianina Hery. Anisan’izany ny fanafoanan’ny Vondrona Afrikanina ny sazy nihatra tamin’i Madagasikara ka ahafahany miatrika ny fihaonambe ao Addis-Abeba ny 30 sy 31 janoary izao. Azo ambara rahateo fa noho ny tsindry mavesatra avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena no nahatonga azy teo amin’ity toeran’ny filoham-panjakana ity ka nahatonga ny fivoaran’ny toe-draharaha haingana tahaka izao. Mila mailo ihany anefa ny mpitondra fanjakana vaovao satria tsy maintsy vahana ireo olana anatiny, indrindra ny lafiny ara-politika mba hahamarin-toerana ireo andrim-panjakana sy ny sehatra sosialy izay iandrandran’ny vahoaka ny tena fanovana, araka ny hevitry ny solombavambahoaka lany vonjimaika ao amin'ny Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra, Randriamandimbisoa Félix. Vahaolana lehibe amin’izany, ohatra, ny fametrahana ny tena fisokafana amin’ireo ankolafin-kery manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena. Tsy mety amin’ny mpitondra ankehitriny ihany koa ny mbola miara-miasa amin’ny filohan’ny tetezamita sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy satria manaratsy endrika azy eo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena izany, hoy ny fanazavan’ity mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Mila fandaminana vaovao ihany koa ny vondron’ny mpanohitra izay manana ny sata mifehy azy mba tena hisian’ny fifandimbiasan-toerana ara-demokratika eto Madagasikara, araka ny fanampim-panazavany ihany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.