Fanesorana Tale sy Tale jeneraly

> “Zon'ny minisitra feno”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran'ny fanabeazana


  • Alakamisy 30 Janoary 2014

Efa hatry ny ela no misy fanodinkodinam-bolam-panjakana mihoapampana eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazana. Asa raha misy ifandraisana amin'izany ny fanesorana tale jeneraly iray sy tale telo ao an-toerana.

Ilay fanapahan-kevitra tanterahana amin'izao fiafaran'ny  fitondrana tetezamita izao sy ilay namotehana ny varavaran'ny biraon'izy ireo hanerena azy ireo hiala no manaitra. Nanamafy ny Sekretera jeneralin'ny Minisitera Rabetahiana Pierrot fa anjaran'ny minisitra no misafidy izay mpiara-miasa akaiky aminy. Tamin'ny alalan'ny “note de service” no nanendrena ireo tale ka ara-dalàna raha soloina amin'ny “note de service”, hoy izy. Miaiky koa anefa fa didim-panjakana ihany no ahafahana manala Tale jeneraly saingy azo atao araka ny fanazavany hatrany ny mampiato azy amin'ny asany aloha amin'ny alalan'ny “note de service” mandra-piandry izay didim-panjakana izay. Nilaza koa ingahy Sekretera jeneraly fa noho ny hamehana no antony tsy maintsy nirosoana amin'ilay fanoloana satria efa ao anatin'ny fikarakarana fanadinam-panjakana izao. Tsy mbola nivonona ny handao ny toerany rahateo izy efatra mirahalahy na dia efa nivoaka aza ilay fanapahan-kevitra.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT