• Sabotsy 01 Febroary 2014
Botozaza Pierrot
Ny laharam-pahamehany

Notanterahana omaly zoma 31 janoary 2014 teny amin’ny Planina Anosy ny lanonana fifampiarahabana teo anivon’ny primatiora lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria notarihan’ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot sady nanaovan’ity farany tombanezaky ny asa vitany no karazan’ny fanaovam-beloma ihany koa satria tetezamita no niantsoana azy, ka mbola baraingo na ho isan’ireo mpikamban’ny governemanta voalohan’ny Repoblika fahefatra izy na tsia.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 01 Febroary 2014
Madagasikara
Firenena modely aty Afrika

Hatreto aloha dia mbola anisan’ireo firenena milamina aty Afrika i Madagasikara ary azo atao mihitsy hoe modely amin’ny resaka demokrasia tahaka an’i Ghana sy Senegal, satria tsy nisy ady an-trano sy adim-poko na fifamonoana taorian’ny fifidianana na dia nisy aza ny fifandirana sy fifanoheran-kevitra noho ny voka-pifidianana.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 01 Febroary 2014
Me Rasamimaka Mahefalahy
“Afaka miara-miasa ho fampandrosoana izahay”

Tsy hoe nanaiky lembenana ny ankolafy Ravalomanana raha somary tsy niteny firy tato ho ato sy tazana teny Mahamasina nandritra ny fianianan’ny filoham-pirenena vao nolanian’ny Fitsarana manokan’ny fifidianana ny mpikambana sasany, fa tsy maintsy ilaina amin’ny fanoherana sy ny tolona ho fametrahana tany tan-dalàna tanjona napetraky ny ankolafy Ravalomanana hatramin’izay ny fifampiresahana sy fiaraha-miasa ao anatin’ny tena firahalahiana sy fifampihainoana.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 01 Febroary 2014
Ramiaranjatovo Marc
Laharam-pahamehana ny famondronan-kerin’ny ankolafy Ravalomanana

Tsy marim-pototra ny fitondrana vaovao mitsangana tarihin’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery satria ny 10%-n’ny Malagasy ihany no nametraka azy ho eo amin’io toeran’ny filoham-panjakana io, hoy Ramiaranjatovo Marc.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 31 Janoary 2014
Kongresin’ny tetezamita
Mizarazara be ny hevitr’ireo mpikambana

Somary nangingina ny teny amin’ny Lapan’ny Kongresin’ny tetezamita teny omaly alakamisy 30 janoary manoloana an’ilay fitakiana ny tombontsoa fandrain’ireo mpikambana tsy mbola azo efa ho efa-bolana izao.

Hamaky ny tohiny
FTT