Mibaribary izao fa tsy mbola afa-miala amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny baikony i Madagasikara. Maika sy dodona hanatrika ny fivoriambe faha-22-n’ny Vondrona Afrikanina any Addis Abeba ny 30-31 janoary rehefa avy nofafana sazy Atoa Hery Rajaonarimampianina izay tafiditra tao anatin’ny lisitr’ireo 109 nanongam-panjakana tamin’ny 2009.
Nofinofy aloha hatramin’izao ny an’ireo izay tsy mankasitraka ny SADC na ny Vondrona Afrikanina na ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana. Raha izao fahitana azy izao mantsy dia hihazakazaka hamitram-pihavanana faran’izay haingana amin’ireo ny filoha vaovao, izay andro vitsy taorian’ny nandraisany fahefana dia efa nanasonia fifanarahana findramam-bola amin’ny any ivelany sahady. Tsy tokony hohadinoina fa tany Frantsa no nankalaza ny Krismasy tamin’ny volana desambra ny kandidan’ny Hery Vaovao sy mpiara-miasa akaiky aminy vitsivitsy ary tsy takona afenina fa tena nahazo toromarika tamin’ny Frantsay i Hery Rajaonarimampianina ka izay no mety nahatonga azy hitsipaka am-bavafo an’i Andry Rajoelina na dia mety efa nanana programa ny hiara-kiasa ihany aza izy mirahalahy. Ny kabary voalohany natao ity nalain-tahaka tamin’ny kabarin’ny filoha Frantsay teo aloha, nampiana kely tamin’ny kabarin’ny filoha Amerikanina Barack Obama. Kivy tanteraka dieny izao aty am-boalohany izao ireo olona tena mba nihevitra fa Hery Vaovao hitondra fanovana marina ity filoham-pirenena ity. Toa vao miha zava-doza no nentiny satria fanalam-baraka manara-penitra sy fanosihosena amin’ny tany ny fiandrianan’ny firenena Malagasy. Mazava ny resaka fa tsy maintsy ho mailo amin’ny filoha mpangala-tahaka ireo mpiara-miasa amintsika any ivelany rehetra, ary handinika lalina vao ho avy hampiasa ny volany eto Madagasikara. Ary na hanome aza izy dia hanery antsika hanaraka izay tiany hatao, ka ho sarotra ho an’ilay filoha mpangala-tahaka sy mampiahiahy ny nahavoafidy azy, ny handon-databatra rehefa mifampiraharaha amin’ireo vazaha menasofina. Ka tsy izay ve izany vao tena voageja tanteraka isika e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.