Fitondrana Rajaonarimampianina

> Misedra raharaha mangotraka sahady


  • Alarobia 29 Janoary 2014


Misedra fotoan-tsarotra sahady ny fitondrana vaovao tarihin’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery. Trangan-javatra maro sahady mantsy no sedraina hatramin’ny sabotsy 25 janoary 2014 nandraisany ny fahefana tamin’ny fomba ofisialy. Andro vitsivitsy talohan’izay aza dia efa nanomboka nipoitra tsikelikely ireo olana tena mila vahana haingana satria iankinan’ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny. Nisantatra izany ny fahaverezan’ireo bala an’arivony teny amin’ny toby miaramila Ivato izay tsy mbola nahitana mangirana hatramin’izao. Nanaraka mora tao ny fiakaran’ny vidin-tsolika tampotampoka teo nefa nolazaina fa efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny mpitondra tetezamita sy ireo orinasa misahana ny fitsinjarana ity vokatra ity. Taorian’ilay nambara fa famindram-pahefana teo aminy sy ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina dia namono zazalahy kely enin-taona teny Ankadindratombo ny fiaran’ny polisy nanaraka azy. Ny harivan’ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny Repoblika vaovao moa dia ireny niaraha-nahita ireny ny fipoahan’ny grenady namoizana ain’olona sy ireo naratra maro teny Anosy izay mbola andrasana ny valin’ny fanadihadiana sahanin’ny zandary mpanao fikarohana siantifika.

Miverina ihany koa ny fahatapahan’ny herinaratra maharitra ora maro amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra, ny delestazy any amin’ny Faritra tsy resahina. Tsy azo adinoina ihany koa ny fahavoazana vokatry ny andro ratsy amin’izao vanim-potoanan’ny rivodoza izao. Ny fanontaniana manitikitika ny sain’ny mpanara-baovao ankehitriny dia ny hoe fifanandrifiana ihany ve ireo karazan-javatra nitranga tao anatin’ny andro vitsivitsy ireo sa kosa misy ifandraisany amin’ny toe-draharaha politika izay toa mbola manjavozavo be ihany ka mandeha sahady ny fingampingana madinidinika amin’izao fiandohan’ny Repoblika vaovao izao ? Ny ho avy no hilaza azy.

 

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT