Vondrona Afrikanina

> Miantso ny hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena


  • Talata 28 Janoary 2014

Ny fianianan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina no nandrasana dia indro fa nofoanan’ny fivoriambe faha-415 ny Filankevitry ny filaminana sy fandriampahalemana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, izay nanomboka omaly tany Addis Abeba ireo sazy rehetra nihatra tamin’i Madagasikara, ary manomboka izao dia afaka miverina amin’ny toerany sy manatrika ny fivoriana rehetra karakarainy i Madagasikara.

Niantso ny filoha vaovao sy ireo herivelona rehetra mba hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena, ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana, ny fanajana ny zon’olombelona ihany koa ny Vondrona Afrikanina, araka ny fanambarana ofisialy nivoaka omaly ihany. Anisan’ny niantefan’ny antso ihany koa ny sehatra iraisam-pirenena mba hanampy an’i Madagasikara. Izany no atao dia mba hitazonana ny ezaka tsara rehetra efa vita hatrizay. Ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC moa dia nanambara ihany koa fa ho eo anilan’ireo mpitondra vaovao eto Madagasikara sy ny mpisehatra rehetra eto an-toerana amin’ny ezaka atao ho amin’ny fanarenana ny firenena, indrindra fa ny eo amin’ny lafiny ara-toekarena. Efa tsy dia nanaitra intsony moa ity fanambaran’ny CPS eo anivon’ny Vondrona Afrikanina itry satria hatrany am-boalohany no efa nazava fa rehefa vita ny fifidianana, ka manaiky an’io ny rehetra eto an-toerana sy any ivelany dia foanana ny sazy ary miverina amin’ny toerany eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Madagasikara. Manaiky ny voka-pifidianana na dia nanitrikitrika ny fisian’ny hala-bato aza i Jean Louis Robinson.

Manaiky tahaka izany ny ankamaroan’ireo vondrona politika nanasonia ny tondrozotra, nanaiky ny firenena vahiny sy fikambanana iraisam-pirenena maro samihafa, izay ilay hoe fifidianana eken’ny rehetra, dia io fa voafafa ny sazy. Tsy midika anefa izany fa efa milamina ny zava-drehetra satria tena mbola tolona sy asa goavana ny fanarenana ny toekarem-pirenena. Manana ny fandaharan’asany i Hery Rajaonarimampianina, fa efa manana ny eritreriny ihany koa ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miasa amintsika avy any ivelany. Hanao ahoana ny ho tohiny ? Ny vahiny ihany ve no hanome ny vola sy hibaiko sa hahavita hanao revolisiona ka hampiseho ny tena fanovana tokoa ity fitondram-panjakana vaovao ity ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT