• Alarobia 05 Febroary 2014
Praiminisitra
Mirona any amin’ny sivily

Raha mbola eo am-piandrasana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana solombavambahoaka ny rehetra dia mafana ny adihevitra ary manao ranolava ny fanehoan-kevitra ny amin’izay ho praiminisitra voalohan’ny Repoblika faha-4.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 03 Febroary 2014
Fanatera Login
Mitaky ny hamerenana ny fifidianana tany Beloha Androy

Anisan’ny Distrika nisehoana hala-bato ny tany Beloha Androy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, hoy ny kandidà Fanatera Login, izay depiote teo aloha sy mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 03 Febroary 2014
Fitiavan-tanindrazana
Voasaron’ny tombontsoa manokana

Mbola manaporofo ny fitiavan-tenan’ireo milaza fa solombavambahoaka indray ny zava-mitranga eny amin’ny Lapam-panjakanan’i Tsimbazaza ankehitriny. Tsy menatra mihitsy mantsy ireo olom-boatendry nandrafitra ny Kongresin’ny tetezamita mampiseho toetra tsy dia mendrika loatra mifanaraka amin’ny maha olom-panjakana azy.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 03 Febroary 2014
Firaisankinan’ny Mpiasan’ny CUA
Miantso an’i Hery Rafalimanana hirotsaka ho Ben’ny tanàna

Nifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona 2014 tetsy amin’ny efitrano malalaky ny sekoly Rasalama Andravoahangy ambony ny sabotsy teo ny fikambanana Firaisankinan’ny mpiasan’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra notarihan’ireo lehiben’ny departemanta samihafa ao aminy.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 03 Febroary 2014
Parlemantan'ny Tetezamita
Mbola manohy ny asany feno ary tsy voatery hametra-pialana

Mbola mahabe resaka ny mpanara-baovao sy ny mpanao politika hatrany ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 20 desambra farany teo.

Hamaky ny tohiny
FTT