Hatreto aloha dia mbola anisan’ireo firenena milamina aty Afrika i Madagasikara ary azo atao mihitsy hoe modely amin’ny resaka demokrasia tahaka an’i Ghana sy Senegal, satria tsy nisy ady an-trano sy adim-poko na fifamonoana taorian’ny fifidianana na dia nisy aza ny fifandirana sy fifanoheran-kevitra noho ny voka-pifidianana.
Niarahaba an’i Madagasikara sy ny filoha Hery Rajaonarimampianina avokoa ny Afrikanina tany Addis Abeba fa hoe tena mendrika ary tokony hanara-dia antsika eo amin’izay fampiharana ny demokrasia izay i Guinée-Bissao izay hiatrika fifidianana atsy ho atsy. Fifidianana no natao tany Cote d’Ivoire ary dia narahana fifamonoan’ny mpomba ireo kandida roa izany ka 3.000 mahery no maty. Natsangana ny firenena vaovao dia i Soudan Atsimo. Nisy ny filoham-pirenena voafidy herintaona mahery kely lasa izay. Tsy nilamina anefa ny tany fa dia mitohy ny rombo. Ny any Mali nahavita fifidianana ihany koa fa tsy milamina mandrak’ity ny androany. Mbola any an-toerana hatramin’izao ny tafika Frantsay. Ny ao Centrafrique moa dia mbola nampiana 6.000 be izao ny miaramila mpampandry tany any an-toerana. Asa na hahavita hanao fifidianana ihany ilay tetezamita natsangana na tsia. Tsy mbola nisy tafika iraisam-pirenena nampidirina teto Madagasikara, tsy nisy hoe Madagasikara Atsimo sy Madagasikara Avaratra izany, fa dia ny hevitra tokoa no nampiadiana. Natao lesona ny fahapotehana efa nisy tamin’ny 2009 ka soa lavo hahay hamindra.
Na dia mahantra sy sahirana aza dia mbola tena hendry ny Malagasy raha oharina amina Firenena Afrika maro, ka izay indrindra no mahavelombolo fa tena azo atao tsara eto ilay fampandrosoana haingana sy maharitra tarigetran’i Marc Ravalomanana fa tsy hoe revin-gadra araka ny firesaky ny mpanatsatso tsy akory. Ny antenaina dia tsy handraraka ilo mby an-doha izao fitondrana vaovao izao, tsy ho falifaly amin’ny fiarahabana sy fandokafana azo fotsiny fa tena hampiseho marina fa Firenena modely, manana ny maha izy azy ary mahavita azy i Madagasikara. Tsy vitan’ny resaka eny ambony pilopitra izany fa mila asa, ary ny taotrano tsy efan’ny irery, hoy ny fomba fitenenana Malagasy. Ilaina ny fifanomezan-tanana ary tena fotoana izao hampivondronana ny hery ka omena ny sehatra sahaza azy araka ny fahaizany, ny fahalalany ary ny traikefany ireo tena mazoto hanarina ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.