Botozaza Pierrot

> Ny laharam-pahamehany


  • Sabotsy 01 Febroary 2014

Notanterahana omaly zoma 31 janoary 2014 teny amin’ny Planina Anosy ny lanonana fifampiarahabana teo anivon’ny primatiora lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria notarihan’ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot sady nanaovan’ity farany tombanezaky ny asa vitany no karazan’ny fanaovam-beloma ihany koa satria tetezamita no niantsoana azy, ka mbola baraingo na ho isan’ireo mpikamban’ny governemanta voalohan’ny Repoblika fahefatra izy na tsia.

Tao anatin’ny lahateny nifanesy nataon’ireo solontenan’ny mpiasa sy ny Sekretera jeneralin’ny ministera ary ny minisitra mpiahy no nahafantarana fa maro ireo tetikasa tanteraka tao anatin’ny roa taona mahery nitantanan’ny ankolafy Ravalomanana ity ministera avokavoky ny fampandrosoana ny firenena ity. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo fandaharanasa tsy tanteraka noho ny hakelin’ny tetibola nomena hampandehanana ny ministera, hoy i Botozaza Pierrot. Ny mahavariana tao anatin’iny fitondrana tetezamita iaraha-mitantana, hoy ny fanampim-panazavany dia niakatra ho primatiora lefitra ny ministera notantaniny saingy nihena sy tsy mifanaraka amin’izay fitombon’ny andraikitra notazominy izay ny anjara vola nentina nanodinana ity departemanta roa goavana ity. Omaly io ihany koa dia nandroso drafi-pampandrosoana ara-toekarena maharitra hiadiana amin’ny fahantrana ity minisitra vonjimaika misahana ny toekarena sy ny indostria ity mandra-pitsangan’ny governemanta vaovao. Tolo-kevitra ahitana teboka maromaro miompana amin’ny fanalalahana ara-toekarena sy ny fanarahana ny fivoaran’ny toekarena manerantany. Laharam-pahamehana ho fanatanterahana izany anefa ny fametrahana ny filaminana sy ny fahamarinan-toerana eto amin’ny firenena. Fa nandritra io fotoana io ihany koa no nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny vato fehizoron’ny fotodrafitrasa hananganana ny trano fiasana manokana ho an’ny departemantan’ny indostria izay mifanila amin’ny ministeran’ny toekarena efa mijoro.

 

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT