Amin’ny maha parlemantera azy nandritra ny fotoana ela, nahavita taom-piasana efatra, dia nanapa-kevitra ny hilaza mahakasika ny fisafidianana praiminisitra sy ny mahakasika ireo solombavambahoaka i Voninahitsy Jean Eugène ny faran’ny herinandro lasa iny. Nambarany tamin’izany fa amin’ny tany demokratika dia tsy misy antoko afaka hanolotra praiminisitra izany raha tsy izy ireo no manana ny antsasamanila ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Mazava ho azy mantsy fa tsy ho marim-pototra velively ny praiminisitra tsy natolotry ny antoko na vondrona maro an’isa satria ireo maro an’isa ireo no afaka hatrany hanongana azy sy ny governemantany. Eo no atahorany hampikorontana ny tany sy ny fanjakana vokatry ny tsy fifankahazoana eo amin’ny MAPAR vondrona mpanohana ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina sy ny HVM mpanohana ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Hatreto aloha mantsy raha ny vokatra nambaran’ny CENI-T dia manana ny maro an’isa ny MAPAR raha tsy manana olona ao amin’ny Antenimiera kosa ny HVM. Mba tsy hiteraka olana, hoy i Voninahitsy Jean Eugène dia tsara raha toa ka tsy mirotoroto amin’ny fanendrena praiminisitra ny filoha fa miandry ny fitsanganan’ireo vondrona satria tsy azo lavina ihany koa ny fahamaroan’ireo tsy miankina.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.