Ramiaranjatovo Marc

> Laharam-pahamehana ny famondronan-kerin’ny ankolafy Ravalomanana


  • Sabotsy 01 Febroary 2014

Tsy marim-pototra ny fitondrana vaovao mitsangana tarihin’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery satria ny 10%-n’ny Malagasy ihany no nametraka azy ho eo amin’io toeran’ny filoham-panjakana io, hoy Ramiaranjatovo Marc.

Ankoatra izay dia iny fifidianana tamin’ny 20 desambra 2013 iny no faran’izay naloto indrindra teto Madagasikara sy Afrika iray manontolo mihitsy. Teny anivon’ny tokantrano mantsy no efa nanomboka ny hala-bato ka hatrany amin’ny famoahana ny voka-pifidianana. Tsy lazaina intsony ny fampiasam-bola mihoapampana nifidianana ny safidin’ny olom-pirenena. Raha tsorina dia ireo rafitra miandraikitra ny fifidianana mandritra ny tetezamita sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena no nandany ny kandidan’ny Hery Vaovaon’i Madagasikara. Ho an’ny filohan’ny fikambanana Madagasikara Vaovao dia misy itovizany ny zava-nisy tamin’ny taona 1947 sy ny zava-mitranga ankehitriny. Nitolona mantsy ny vahoaka malagasy nandritra ny taona naharitra saingy tsy tonga amin’ny tena tanjona nefa tsy afa-miteny fa marary fo anaty fotsiny. Momba ny mety hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitondra vaovao izay mitsingilahila ny fahefany sy ny ankolafy Ravalomanana sokajiana ho mpanohitra indray dia mila mazava ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta, hoy ny Ben’ny tanànan’Alasora teo aloha.

Mialoha izany anefa dia ilaina ny fikaonan-doha fifanazavana sy famondronana ny herin’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny ankolafy Ravalomanana. Aorian’io dia tokony hipetraka ny rafitra vaovao ahitana ireo mpitarika tena vonona hampiseho ny fitiavan-tanindrazana ka ho fomba fijery voasoritra sy eken’ny rehetra no entina miresaka sy mifandresy lahatra amin’ny filoham-pirenena vaovao. Ny zavatra hita mantsy dia tsy takona afenina intsony ny fisamatsamahan’ireo lohandohan’ny mpisorona mpitarika ao amin’ity ankolafy politika be mpanaradia ity nanomboka tamin’ny taona 2010 noho ny fikatsahana tombontsoa manokana ka lasa mamitaka vahoaka izay niharitra ny mafy indrindra nandritra ny 5 taona. Tena tsara raha tanteraka mialoha ny fitsanganan’ny governemanta vaovao ity soso-kevitra ity, hoy Ramiaranjatovo Marc.

 

Ramano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT