Kongresin’ny tetezamita

> Mizarazara be ny hevitr’ireo mpikambana


  • Zoma 31 Janoary 2014

Somary nangingina ny teny amin’ny Lapan’ny Kongresin’ny tetezamita teny omaly alakamisy 30 janoary manoloana an’ilay fitakiana ny tombontsoa fandrain’ireo mpikambana tsy mbola azo efa ho efa-bolana izao.

Ao ireo manam-panantenana fa ho azo ireo tombontsoa ireo na dia tsy izy manontolo aza. Ao ny milaza fa mety ho azo amin’io herinandro hitsidika io ny taratasin-tsolika volana janoary saingy efa nahena be ny sandany. Marihina fa nampiakatra afo ny sasantsasany ny valin-tenin’ny filohan’ny Kongresy nifampiresaka tamin-dry zareo ny talata teo nanao hoe : “tsy zo fa fanampiana fotsiny amin’izao ireny fanomezana taratasin-tsolika ireny”. Ary dia mitovy tsy misy hafa amin’izany avokoa ny valin-tenin’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitr’ity andrimpanjakana ity rehefa anontaniana izy ireo. Mampiahiahy izany, hoy ireo mpikamban’ny kongresy sasany ary misy mitady hitondra ny raharaha eny anivon’ny Bianco. Ny hafa anefa dia mitsipaka marindrano an’ity hevitra farany ity. Misy indray no valalanina amin’ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra iray mikirakira ny vola eo anivon’ity Kongresy ity milaza fa nalain’ny eny anivon’ny ministeran’ny fitantanam-bola ny vola sasany tokony handoavana ny tombontsoan’izy ireo ka antony mahatonga izao olana izao. Zavatra mifanohitra tanteraka amin’ny lalàna velona anefa izany, hoy ny fanamarihana azo. Raha hanaovan-javatra ao anatiny dia azo leferina ihany, fa raha havadika any amin’ny sehatra hafa mihitsy ivelan’ny Lapa dia voarara tanteraka satria mizaka tena ara-bola ity Kongresy ity.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT