Me Rasamimaka Mahefalahy

> “Afaka miara-miasa ho fampandrosoana izahay”


  • Sabotsy 01 Febroary 2014

Tsy hoe nanaiky lembenana ny ankolafy Ravalomanana raha somary tsy niteny firy tato ho ato sy tazana teny Mahamasina nandritra ny fianianan’ny filoham-pirenena vao nolanian’ny Fitsarana manokan’ny fifidianana ny mpikambana sasany, fa tsy maintsy ilaina amin’ny fanoherana sy ny tolona ho fametrahana tany tan-dalŕna tanjona napetraky ny ankolafy Ravalomanana hatramin’izay ny fifampiresahana sy fiaraha-miasa ao anatin’ny tena firahalahiana sy fifampihainoana.

Nahatonga ny ankolafy Ravalomanana nihetsika nandritra ny dimy taona nanoherana ny fanonganam-panjakana teto rahateo dia izay tsy fanajana ny lalàna sy ny tany tan-dalàna izay, koa na manana ny rariny tamin’ny fitakiana sy fitoriana izay ny ankolafy, dia vonona kosa hifampiresaka sy hiara-kiasa ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara satria ny firenena mandroso sy vahoaka miala amin’ny fahantrana no tanjon’ny ankolafy hatramin’izay. Tanjona napetraka sy efa notakiana ary nahatonga ny tsy fahanginan’ny ankolafy Ravalomanana ihany koa hatreto ny momba ireo olom-pirenena very zo sy tafody an-tanindrazana nateraky ny fanonganam-panjakana teto. Koa raha misy olom-pirenena afaka hamaha izany sy hampody an-tanindrazana ireto voatery nanao sesitany politika ny tenany noho ny fifofoana ny ainy noho ny fandrombaham-pahefana, anisan’izany Atoa Ravalomanana sy ny fianakaviany ary ireo mpiara-miasa aminy tavela any ivelany, dia afaka miresaka sy miara-miasa amin’izany ny ankolafy raha tsy izany dia mijoro hatrany hitaky izany ny ankolafy Ravalomanana manerana ny Nosy toy ny ao Toamasina araka ny nambaran’i Me Rasamimaka Mahefalahy. Nambaran’ity farany moa fa velona sy miaina ary mamakafaka ny zava-misy ara-politika ny ankolafy Ravalomanana Toamasina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT