Tsy miova ny tanjon’ny tolona eny amin’ny Magro raha ny nambaran’ireo mpitari-tolona eny an-toerana. Tsy misy afa-tsy ny famerenana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana no laharam-pahamehana ho azy ireo. Tsy maintsy io tanjona io, araka izany, no hibaiko azy reo na hijoro ho mpanohitra na hiara-kitantana amin’izao fitondrana vaovao izao ny ankolafy Ravalomanana, hoy Ralaimampisainarinony Manoela, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Nanamafy ity farany fa tsy miova ny tolona na dia efa dimy taona aza. Manoloana ny tsy fitoviam-pijery amin’ny mpitolona sasantsasany dia nolazainy fa manana ny mpitarika ny ankolafy ka izay ihany no tokony hitondra ny hevitra.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.