Anisan’ny Distrika nisehoana hala-bato ny tany Beloha Androy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, hoy ny kandidà Fanatera Login, izay depiote teo aloha sy mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.
Misy, hoy izy, ny porofo an-tsary maro maneho ny hosoka toy ny tany Tranoroa ary dia efa nalefa any amin’ny CES izany. Anisan’ny tsy fanarahan-dalàna niseho koa ny fandrahonana mpiasam-panjakana horoahina na hafindra toerana raha tsy mifidy ny kandidàm-panjakana ary tao anatin’ny fitetezam-paritra fizarana karaman’ny mpiasam-panjakana no nanaovana izany. Teo koa ny fandravan’ny solontenam-panjakana ny fanofanana nampanaovin’ny CENI-T an’ireo delegen-datsabato tao Tranoroa sy Kopoky. Tao amin’ity fokontany farany ity aza ny 17 desambra 2013 dia nisy kandida nanao propagandy teo an-tokontanim-piangonana. Izany no ampahany angatahanay ny hanafoanana tanteraka ary hamerenana ny fifidianana ho solombavambahoaka any Beloha Androy, hoy i Fanatera Login. Kandidà telo amin’ireo sivy nifaninana moa no tonga nanatitra ny fitoriana teo anivon’ny CES noho ny halaviran-tany. Nisy iray hafa koa nanatitra fitoriana tany amin’ny tribonalin’Ampanihy Andrefana ary efa mandeha ny famotorana ataon’ny any an-toerana izao ka efa nampanantsoina ireo olona voarohirohy sy hita porofo ho nangala-bato. Ben’ny tanàna sy sefom-pokontany maromaro no mijoro vavolombelona mikasika an’ity hala-bato tamin’ny fifidinana tany Beloha Androy ity, hoy hatrany i Fanatera Login, ka dia ho hita eo ny tohiny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.