Parlemantan'ny Tetezamita

> Mbola manohy ny asany feno ary tsy voatery hametra-pialana


  • Alatsinainy 03 Febroary 2014

Mbola mahabe resaka ny mpanara-baovao sy ny mpanao politika hatrany ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 20 desambra farany teo.

Teo aloha ny niarahan'ity fifidianana ity tamin'ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa, izay somary nandiso ny kajikajy politika fanao mahazatra, fa teo indrindra ireo didy aman-dalàna nifehezana izany fifidianana izany, izay niteraka resabe ka nahatonga ny kandidà sasany hilaza fa niteraka fitanilana ny tsy fametraham-pialan'ireo olom-boatendry sasany toy ny CST na CT kanefa nirotsaka nifaninana ho solombavambahoaka ny maro tamin'izy ireo. Nomarihin'ireo naneho hevitra izay nisafidy tsy hitonona anarana moa fa toa midika ho kandidam-panjakana avokoa ireo rehetra tsy nametra-pialana ka tokony ho nihintsana avy hatrany satria mampiasa ny fahefana teo am-pelatanany nandritra ny fifidianana. Nezahina moa ny nitady fanazavana tamina kandidà sasany izay voakilasy tamin'ity resaka ity, izay nisy ny tsy tafita ary nisy ireo tafita saingy samy nisafidy ny tsy niresaka izy ireo. Raha ny fanazavan’ny mpahay lalàna iray indray dia ara-dalàna tanteraka ny tsy fametraham-pialan'ireo kandidà mpikambana teo anivoan'ny CST sy CT raha araka ny didim-panjakana laharana 2013-0270 mamaritra ireo tsy maintsy mametra-pialana mandritra ny fifidianana, izay voakilasy ao amin'ilay antsoina hoe : «Autorité Politique», ka tsy ao anatin'io velively ny mpikambana ao amin'ny Parlemanteran'ny tetezamita. Nohamafisin'ity mpahay lalàna ity fa manohy ny asany avokoa ireo parlemantera na lany izy na tsia ary mizaka ny zo feno maha olom-boatendry azy mandra-pipetrak’ireo Parlemantera voafidim-bahoaka.

Caïus Raharison


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT