Fitiavan-tanindrazana

> Voasaron’ny tombontsoa manokana


  • Alatsinainy 03 Febroary 2014

Mbola manaporofo ny fitiavan-tenan’ireo milaza fa solombavambahoaka indray ny zava-mitranga eny amin’ny Lapam-panjakanan’i Tsimbazaza ankehitriny. Tsy menatra mihitsy mantsy ireo olom-boatendry nandrafitra ny Kongresin’ny tetezamita mampiseho toetra tsy dia mendrika loatra mifanaraka amin’ny maha olom-panjakana azy.

Tsy nanaiky tsotra izao moa ireto mpikambana ao amin’ny andrim-panjakana mpanao lalàna nandritra ny fitondrana tetezamita ireto raha tsy nandray ny karaman’izy ireo volana janoary 2014. Izao indray dia midongy tsy handao ny trano nipetrahana raha tsy voaefa ireo tombontsoa trosa tao anatin’ny telo volana farany tamin’ny taona 2013 niasan’izy ireo ho an’ny firenena. Mbola tantara mitohy moa ny momba an’iny fa ny mampanontany tena ny besinimaro ihany koa amin’izao fotoana izao dia ny mikasika ireo kandida marobe nifaninana tamin’ireo fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka izay toa tsy re feo no tsy hita mifanerasera intsony eny anivon’ny fiarahamonina raha vao tapitra ny fampielezan-kevitra. Tamin’ireny fotoanan’ny propagandy ireny anefa dia sady nandeha ny fizarana akanjo sy satroka miaraka amin’ny vola no tsy ferana ihany koa ireo karazana fampanantenana sy tambitamby samihafa ireo mpifidy. Ankehitriny kosa dia adino tanteraka ireo vahoaka fa ny fifampiresahana sy ny adivarotra amin’ny fitadiavan-tseza no malaza sy mameno ny fandaharam-potoanan’ireo milaza fa hisolotena ny vahoaka eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Tsy niova ny fanaovana politika eto Madagasikara fa ny fomba ratsin’ireo goaika antitra indray aza no nolovaina sy nampitomboan’ireo tanora milaza hitondra fanovana tamin’ny taona 2009. Deraina manokana kosa ny fahamatoran’ireo vahoaka tsy mandady harona tao anatin’izay dimy taona niainana sy nijaliana tamin’ny krizy izay fa tsy voarebirebin’ireo mpikaramanady sy mpitady seza zatra mikatsaka tombontsoa mihoapampana.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT