Praiminisitra

> Mirona any amin’ny sivily


  • Alarobia 05 Febroary 2014

Raha mbola eo am-piandrasana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana solombavambahoaka ny rehetra dia mafana ny adihevitra ary manao ranolava ny fanehoan-kevitra ny amin’izay ho praiminisitra voalohan’ny Repoblika faha-4.

Mandeha ny tombantombana samihafa, fa ny iraisan’ireo fanehoan-kevitra hita sy re hatramin’izao dia ireo toetoetra tokony hananan’izany praiminisitra lehiben’ny governemanta izany. Olona matahotra an’Andriamanitra, manam-panahy ary manam-pahendrena. Praiminisitra raiamandreny tena afaka mampihavana ary koa afaka miara-miasa amin’ny antoko sy firehana politika rehetra indrindra ny mpanohitra. Tsy iray fiaviana amin’ny filohan’ny Repoblika hitandroana ny fifandanjam-paritra. Praiminisitra manampahaizana afaka mandresy lahatra sy vonona hiara-kiasa amin’ny vondrona iraisam-pirenena ary vonona hanatanteraka ireo fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena. Firenena vao mivoaka ny krizy i Madagasikara, avy nahavita fifidianana, efa am-perinasa rahateo ny filoham-pirenena, ny lojikan’izay dia tsy tokony ho avy amin’ny tafika, na zandary na polisy ny praiminisitra voatendry io, hitandroana ny maha iray ny foloalindahy. Mazava loatra fa dia tokony ho olom-baovao, tsy mbola teo amin’ny fitantanana ny firenena. Iza io olona io ?

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT