Nifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona 2014 tetsy amin’ny efitrano malalaky ny sekoly Rasalama Andravoahangy ambony ny sabotsy teo ny fikambanana Firaisankinan’ny mpiasan’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra notarihan’ireo lehiben’ny departemanta samihafa ao aminy.
Nanambara ny Adjudant-chef Ramahazosoa Benjamin (sapeur pompier) izay nisolotena an’ireo namany fa ny fahitana ity tanàna ity tsy miroso mankany amin’ny fampandrosoana azy loatra noho ny tsy fananan’ny mpitantana ankehitriny faharisiham-po amin’ny tena fampandrosoana marina, ny faharefoan’ny fifandraisana eo amin’ny Kaominina sy ny mpiasa ary ny mpandoa hetra, ny fahalotoan’ny tanàna noho ny fihandronan’ny fako tsy misy mpikarakara, ny tondra-drano mananontanon-dava noho ny fanotofana tany mitohy tsy tapaka etsy sy eroa, ny fitohanan’ny fifamoivoizana tsy ahitam-bahaolana, ny tsy fandriampahalemana manjaka dia manjaka, no nahatonga azy ireo hanao izao antso amin’ny PDS taloha sy filohan’ny fikambanana «Afaka 1» hirotsaka ho fidiana ho Ben’ny tanànan’Iarivo. Notsiahivin-dry zareo fa tao anatin’ny valo volana monja nitantanany an’ity tanàna ity dia efa nahavita nanamboatra ireny zaridaina maitso mavana manerana ny tanàna ireny Atoa Hery Rafalimanana, nahatsangana tsena sy sekoly EPP ary toeram-pitsaboana isam-pokontany. Tsy nampitsanga-menatra ny Malagasy koa ny fanatontosana am-pahamendrehana ny Lalaon’ny Nosy sy ny «Sommet Métropolis de 2007» teto Antananarivo renivohitr’i Madagasikara. Mahafaly ahy, hoy Atoa Hery Rafalimanana fa enin-taona aty aoriana dia mbola tsaroanareo ny soa niarahana tsy nisy fanavakavahana n’iza n’iza. Vavolombelon’ny mpiasa ny bainga, hoy izy, ka mbola hoporofointsika indray izany raha ilaina. Tsy mbola fotoanan’ny fanomezana valin-teny ho anareo anefa izao fa ho avy tsy ho ela izany. Nomarihany fotsiny fa ny tsy fisian’ny firindram-piaraha-miasa ka hifampihainoan’ny mpampiasa sy ny mpiasa isan’andro no mahatonga ny lesoka lehibe miseho eto amin’ity renivohitra ity ankehitriny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.