• Talata 04 Martsa 2014
Depiote Randrianantenaina José
Manantena ny hanitsian’ny HCC vaovao ny fehin-keviny

Misarika hatrany ny sain’ny mpanara-baovao ny fiandrasana izay ho Praiminisitra Lehiben’ny Governemantan’ny Repoblika faha-4. Hatramin’izao mantsy dia mbola any an-kibon’ny omby tanteraka ny fanendrena izay tena voaporofo fa fahefan’ny filohan’ny Repoblika ka na miandry aza ny maro dia tonga tokoa amin’ny ohatra hoe : «Miandry fa gasy».

Hamaky ny tohiny
  • Talata 04 Martsa 2014
Fampihavanam-pirenena
Vahaolana ny Lalàna fototra tena malagasy

Manantena vokatra tsara amin’ny fihaonana eo amin’ireo mpikambana rehetra manerana ny Nosy izay mandray anjara ka hitondra fomba fijery samihafa sy hamosaka ny heviny momba ny fampihavanam-pirenena ny Komity momba ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny filoha teo aloha ny profesora Zafy Albert.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 04 Martsa 2014
Ferdinand Razakarimanana
“Mila rafitra arofanina ny mpitondra fanjakana”

Tsy mitovy intsony ny foto-pisian’ny Komity misahana ny fampihavanam-pirenena tamin’ny folo taona lasa mahery sy ny antom-pijoroany ankehitriny, hoy ny jeneraly misotro ronono Razakarimanana Ferdinand.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 04 Martsa 2014
Norbert Razafimbelo
“Lalan-tokana ny fampihavanam-pirenena”

Tena mbola misafotofoto ny fiainam-pirenena eto Madagasikara na dia efa mipetraka aza ireo andrim-panjakana roa dia ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Antenimieram-pirenena, hoy ny lehiben’ny fikambanana Avoria, Razafimbelo Norbert.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 04 Martsa 2014
Fanendrena ny Praiminisitra
Miketrika ny PMP, tsy hanaiky lembenana ny MAPAR

Tsy mbola misy siosion-dresaka re momba ny daty hahafantarana ny anaran’izay ho praiminisitra hatramin’izao. Ny hany fantatra dia andro aman’alina ny fifampiresahana fifanatonana, fifandresen-dahatra eo amin’ny samy mpanao politika.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 04 Martsa 2014
Tabera Randriamanantsoa
“Lalàmpanorenana tena malagasy no ilaina”

Nionona fotsiny tamin’ny hevitra ivelan’ny atao hoe «fampihavanam-pirenena» isika Malagasy hatramin’izay.

Hamaky ny tohiny
FTT