Misarika hatrany ny sain’ny mpanara-baovao ny fiandrasana izay ho Praiminisitra Lehiben’ny Governemantan’ny Repoblika faha-4. Hatramin’izao mantsy dia mbola any an-kibon’ny omby tanteraka ny fanendrena izay tena voaporofo fa fahefan’ny filohan’ny Repoblika ka na miandry aza ny maro dia tonga tokoa amin’ny ohatra hoe : «Miandry fa gasy».
Fanamarihan’ny mpanara-baovao moa ny nilazan’ny filoham-pirenena nandritra ny andron’ny fianianany fa ho tapa-bolana raha ela dia hotendrena ireo handrafitra ny governamanta saingy izao hiaraha-mahita izao aloha fa dia miandry e ! Hatreto dia mbola ny governemantan’ny Tetezamita no misahana ny fampandehanan-draharaha hiandrasana izany satria ny raharaham-pirenena dia tsy afa-miato. Raha momba ny fanendrena Praiminisitra kosa dia nanamafy ny Depiote Randrianantenaina José, avy amin’ny Movansy Ravalomanana izay mitambatra ao anatin’ilay vondrona PMP na ny «Plateforme pour la Majorité Présidentielle», fa antoko maro be izy ireo no nivondrona amin’izany izay ahitana ny Les AS, Maitso, MMM, RPSD ary ireo tsy miankina maro. Nanolotra ihany koa ny Dr Jules Etienne izy ireo na dia teo aza ny fanehoan-kevitra izay navoakan’ny HCC tamin’ny 17 febroary iny. Hinoan’izy ireo fa hiova na hisy fanitsiana iny fehin-kevitry ny HCC iny. Niaraha-nahalala mantsy fa nanendry ireo anjarany amin’ireo mpikambana ao amin’ny HCC ny Filoham-pirenena, izay mpitsara mpahay lalàna ka azo antoka ny mety hanazavan’izy ireo bebe kokoa iny didy aman-dalàna laharana 54 ao amin’ny lalàmpanorenana iny ka mety hanova zavatra maro. Nambarany fa raha ny maro an’isa eny anivon’ny Antenimieram-pirenena no manendry ny Praiminisitra, dia ny MAPAR 49 izany dia ho marin-toerana ve ny Praiminisitra manoloana ireo Depiote mpikambana 98 hafa ankoatra azy ? Heveriny, araka izany, fa anisan’ny dinihin’ny mpitondra akaiky ny momba ity fanendrena Praiminisitra ity matoa tsy mbola tanteraka. Andrasana indray ny hiseho amin’ity herinandro vaovao ity.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.