Manantena vokatra tsara amin’ny fihaonana eo amin’ireo mpikambana rehetra manerana ny Nosy izay mandray anjara ka hitondra fomba fijery samihafa sy hamosaka ny heviny momba ny fampihavanam-pirenena ny Komity momba ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny filoha teo aloha ny profesora Zafy Albert.
Anisan’ny ainga vao mampiavaka ny CRN ankehitriny ny fahavononan’ireo andriambavilanitra hanampy tosika ny fanatanterahana ity foto-kevitra efa nijoroan’ny fikambanana nanomboka tamin’ny taona 2002 ity. Hetaheta sy fanirian’izy ireo moa ny hametrahana ho rafitra maharitra ny «Comité de Réconciliation Nationale» eto amin’ny firenena malagasy. Foto-kevi-dehibe niarahan’ny rehetra nanaiky nandritra ny fanokafana ny loabary an-dasy arahina adihevitra omaly alatsinainy 03 martsa 2014 teny amin’ny «Espace Kintana» Mahazoarivo ity ny filazana fa marary ny firenena malagasy. Noho izany dia mila ny fijoroana sy fandraisana andraikitry ny olom-pirenena hamongorana ny aretina izay efa nikiky azy tao anatin’ny taona maro dia maro, hoy ny feo re tamin’ireo mpizaika solontena avy amin’ireo Faritany enina misy eto Madagasikara. Vahaolana lehibe aroson’izy ireo ny fandrafetana Lalàmpanorenana vaovao mifototra amin’ny foto-pisainana tena malagasy. Andrasana anio talata 04 martsa 2014 kosa ireo fehin-kevitra goavana izay hosoratana ao anaty boky kely. Nitarika ny fihaonana ny filoha lefitry ny CRN, Tabera Randriamanantsoa notronin’ireo mpikambana mpiara-mitolona efa taona maro ao anatiny.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.