Norbert Razafimbelo

> “Lalan-tokana ny fampihavanam-pirenena”


  • Talata 04 Martsa 2014

Tena mbola misafotofoto ny fiainam-pirenena eto Madagasikara na dia efa mipetraka aza ireo andrim-panjakana roa dia ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Antenimieram-pirenena, hoy ny lehiben’ny fikambanana Avoria, Razafimbelo Norbert.

Vahaolana arosony amin’ny toe-draharaha misy ankehitriny ny fanatanterahana ny tena fampihavanam-pirenena. Ny zava-nisy ary mbola iainantsika mandrak’androany dia ny tsy fametrahana ny maha iray ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy satria mibahana hatrany ny toerana na faritra na faritany fiaviana izay efa nilaozan’ny toetr’andro. Sakana lehibe indrindra amin’izany ny fametrahana mialoha ao anatin’ny Lalàmpanorenana ireo karazana masontsivana mametra ny fahalalahan’ireo olom-boafidy manatanteraka ny asa aman-draharaha nametrahan’ny olom-pirenena fahatokisana tamin’izy ireo, indrindra ny filohan’ny Repoblika. Lalàna fototra izay mila ovaina ka atao laharam-pahamehana amin’izany ny foto-pisainana tena malagasy. Azo raisina ohatra mivaingana amin’izany ny famerana ny fifandanjana eo amin’ny lafiny ara-poko. Mila esorina ao anatin’ny fomba fijery amin’izao taonjato faha-21 misy antsika izao ireo hevitra rehetra mampisaraka ny vahoaka Malagasy raha tiantsika ny tena hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT