Tsy mitovy intsony ny foto-pisian’ny Komity misahana ny fampihavanam-pirenena tamin’ny folo taona lasa mahery sy ny antom-pijoroany ankehitriny, hoy ny jeneraly misotro ronono Razakarimanana Ferdinand.
Nanambara mazava ity farany fa tsy mpikambana tao tamin’izany fotoana izany raha manatevin-daharana ny hetsika kosa ankehitriny. Raha nibahan-toerana mantsy teo aloha ny momba ireo gadra politika sy ireo voatery nanao sesitany ny tenany any ivelan’i Madagasikara, izany hoe niompana betsaka tamin’ny resaka olona na vondron’olona dia vaindohan-draharahan’ny «Comité pour la Réconciliation Nationale» amin’izao fotoana izao ny fametrahana azy ity ho rafitra maharitra eto amin’ny firenena malagasy. Mila apetraka izy io mba ho arofanina amin’ny mety ho fomba fihetsik’ireo mpitondra alaim-panahy hanitsaka ny lalàna velona izay tsy mifanaraka amin’ny fomba amam-panao malagasy. Momba ny raharaham-pirenena iainantsika indray dia nilaza ny tenany fa tsy fotoanan’ny tsikera sy ny adihevitra tsy mitondra fampandrosoana ny mpiara-belona intsony izao. Efa misy ny filohan’ny Repoblika vaovao nofidian’ny olom-pirenena dia tokony hampiana izy amin’ny asa aman’andraikitra izay sahaniny. Tsy mety amin’ny foto-pisainana tena Malagasy anefa io Lalàna fototra misy ankehitriny io ka mila jerena akaiky mba hifanaraka amin’ny toetr’andro sy ireo soatoavina tena malagasy mba hampandroso an’i Madagasikara, namaranany ny teniny.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.