Tabera Randriamanantsoa

> “Lalŕmpanorenana tena malagasy no ilaina”


  • Talata 04 Martsa 2014

Nionona fotsiny tamin’ny hevitra ivelan’ny atao hoe «fampihavanam-pirenena» isika Malagasy hatramin’izay.

Nibahan-toerana tao hatrany ny sehatra politika ka nahatonga ireny zava-nitranga teto amin’ny firenena izay mbola misy takaitrany mandraka ankehitriny ireny, hoy ny Filoha lefitry ny Komity momba ny fampihavanam-pirenena Tabera Randriamanantsoa. Tsy tena nijery ny fototry ny olana mantsy isika hatramin’izay dia ny maha firenena ny firenena. Izany firenena izany dia mieritreritra ny fiarahamonina malagasy fa tsy mibanjina tombontsoa manokana na ho an’ny vondron’olona vitsivitsy. Amin’izao fotoana izao dia tonga ny fotoana hananganantsika ny tena firenena malagasy amin’ny fametrahana ho rafitra maharitra tena fampihavanam-pirenena. Efa vonona hijery akaiky ity fototra goavana hisian’ny tena fampandrosoana ny firenena ity ny filoham-pirenena vaovao Rajaonarimampianina Hery ka mila tohanana izy amin’ny fanatontosana izany. Efa dingana iray mizotra mankany amin’io lalana io ny fanavaozana ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Ny tena mahamaika izao dia ny fanendrena ny praiminisitra, lehiben’ny governemanta ka mila malalaka tanteraka ny filohan’ny Repoblika hifidy ny olona hiaraka hiasa akaiky aminy hanatanteraka ny fandaharanasany ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy. Mifanindran-dalana amin’io anefa ny tsy maintsy handrafetana Lalàmpanorenana vaovao mifanaraka amin’ny tena fisainana malagasy, hoy ny fanampim-panazavany.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT