Tsy mbola misy siosion-dresaka re momba ny daty hahafantarana ny anaran’izay ho praiminisitra hatramin’izao. Ny hany fantatra dia andro aman’alina ny fifampiresahana fifanatonana, fifandresen-dahatra eo amin’ny samy mpanao politika.
Mandeha be ny feo fa hisy vondrona maro an’isa tena matanjaka hipoitra avy ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Rahoviana izany ? Amin’ny fiandohan’ny volana mey mantsy vao mivory ara-potoana indray ireo solombavambahoaka. Sa ve hisy ny fivoriana tsy ara-potoana mba hahafahan’ny eny Tsimbazaza manangana ireo vondrona parlemantera, dia eo vao hita ny tena maro an’isa ? Toa tsy mety, ary tsy mendrika ihany mantsy ilay hoe any amina hotely no mivorivory dia iny fa mamoaka anarana, dia indreny fa manao rodobe miakatra eny Ambohitsorohitra indray hanatitra ny anarana. Raha ny ritsoka mandeha etsy sy eroa dia manezaka mafy ny vondrona PMP mba ho avy aminy no ivoahan’ny praiminisitra ; ny MAPAR koa anefa tsy mipetra-potsiny ary manizingizina fa izy no maro an’isa ary zony feno no manolotra ny anaran’izay praiminisitra tsy maintsy hotendren’ny filoha. Mety hisy indray ve ny fakana ny hevitry ny HCC (efa niova endrika) momba ity maro an’isa araka ny andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana ity ? Sa inona ny zavatra mety hitranga ? Mirona mankaiza marina ireo solombavambahoaka avy amin’ny tsy miankina ? Any amin’ny PMP ve sa any amin’ny MAPAR ? Miankina tanteraka amin’izay mantsy ny mety ho endriky ny maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Asa aloha izay ho fiovana fa hatramin’izay dia matetika mirona any amin’ny fanohanana ny fitondrana foana ny mpanao politika, izany hoe miara-dia amin’ilay filoham-pirenena. Ny zava-miseho rehetra hatreto aloha dia efa nanaporofo fa tsy mazoto ny hiaraka hiasa amin’ny olona tena akaiky ny filohan’ny tetezamita i Hery Rajaonarimampianina, raha tsy izany efa voatendry ho praiminisitra i Haja Resampa. Re ihany koa fa maro ny mpanao politika, fikambanana isan-karazany manohana an’i Dr Jules Etienne ho praiminisitra ary raha ny tsiliantsofina re ihany dia mankasitraka azy ny sehatra iraisam-pirenena. Ka tsy izay ve ilay hoe : fombafomba sisa fa efa fantatra ilay anarana e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.