Politique

Razafimanantsoa Hanitra


  • Alakamisy 03 Aprily 2014

«Mitaky hatrany ny fampiharana ny tondrozotra izahay»

 Korontana no nitranga teto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny taona 2009. Voakasik’izany manokana ireo andrim-panjakana tetezamita napetraka. Takaitran’ny tsy fanarahan-dalàna no mitranga ankehitriny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena izay misy akony amin’ny fanendrena ny praiminisitra, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara Razafimanantsoa Hanitra. Lesoka goavana amin’izao fitondrana voafidim-bahoaka izao ny fahasahiranana miverina amin’ny tany tan-dalàna dia ny fanajana ireo voasoritra ao anatin’ny Lalàmpanorenana ka samy mandrirotra amin’izay mahamety azy ireo antoko na vondrona politika milaza ho maro an’isa. Efa hita soritra hatramin’ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena voalohany ny tena vondrona parlemantera maro an’isa manohana ny filoham-pirenena, araka ny voalazan’ny andininy faha-54-n’ny Lalàna fototra saingy ny fametrahana ny fomba fiaraha-miasa eo amin’ireo solombavambahoaka no tsy maintsy narindra, hoy ny depiote Razafimanantsoa Hanitra. Aminy dia rariny sy hitsiny iny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana nandrava ny rafitra mpanapa-kevitra ao amin’ny andrim-panjakana mpanao lalàna iny.

Mitohy ny tolona ho an’ny ankolafy Ravalomanana

Tsy miova amin’ny foto-kevitra efa nijoroany hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ny ankolafy Ravalomanana. Mitaky hatrany ny fampiharana ireo andininy tsy mbola tanteraka ao amin’ny sori-dalana izahay, hoy i Maître Hanitra izay vao nampahatsiahivin’ny GIC-M tamin’ny fivoriany farany teo teto Antananarivo. Ny paikady hitondrana azy fotsiny no tsy maintsy harindra miaraka amin’ny fizotran’ny raharaham-pirenena. Anisan’izany ny fametrahana fiaraha-miasa miaraka eo amin’ny ankolafy sy ny filoham-pirenena vaovao izay mitaky fifanarahana eo amin’ny fomba fijery sy ny fampiharana azy. Miara-dalana amin’ny filohan’ny Repoblika voafidim-bahoaka ny ankolafy Ravalomanana satria mendrika ny hotohanana ny fandaharanasany, hoy ny fanampim-panazavany. Mpanohitra kosa ireo vondrona solombavambahoaka manana fandaharanasa hafa sy tsy mifanaraka amin’ny programan’ny filoham-pirenena. Aorian’ny fanolorana sy fanohanan’ny praiminisitra ny fandaharanasan’ny filohan’ny Repoblika eny amin’ny Antenimieram-pirenena vao tena ho fantatra ireo mpanohitra izay tsy maintsy hifidy ny ho lehiben’izy ireo eny amin’ity rafitra mpanao lalàna ity. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT