Politique

Gadra politika Nahatratra 302, 22 mbola any am-ponja


  • Alatsinainy 31 Martsa 2014

Voaresaka teto amintsika, hatramin’ny Repoblika voalohany ka hatraty amin’ny tetezamita farany teo, ny fisian’ny fanagadran’ny mpitondra fanjakana ireo izay tsy mitovy firehana taminy na nokilasiana fa nanohitra marindrano ny fitondrany. Gadra politika no hikilasian’ny maro an’ireny ka tamin’ny fitondrana tetezamita (2009-2014) no tompondaka tamin’izany satria nahatratra 302 ireo naiditra am-ponja ireo nandritra io vanim-potoana io. Na dia efa ao anatin’ny Repoblika faha-4 aza isika ankehitriny dia mbola misy 22 ireo tavela any am-ponja ahitana olon-tsotra sy miaramila manamboninahitra maro. Milaza ny heviny ireo niharam-boina sy/na ireo havany nohadihadian’ny Tia Tanindrazana.

 Razafimandimby Zafilahy Stanislas (Solombavambahoaka teo aloha ary anisan’ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana) :

“Rehefa manao politika dia zavatra telo loha no mety hihatra amin’ny tena : mety higadra, mety ho rava fananana ary mety hiafara amin’ny fahafatesana. Ny anay ady ho an’ny tanindrazana no natao. Efa fantatra ny ho fisamborana ny tena tamin’ny fotoan’androny satria Frantsay no tao ambadik’i Andry Rajoelina sy ny forongony. Anisan’ny gadra politika nijaly indrindra izahay nampiarahana na dia tsy nalefa tany Tsiafahy aza. Tao anatin’ny tapa-bolana dia in-dimy nafindra fonja ary amin’ny alina foana no nitondrana anay : Antanimora, Ambatolampy, Fianarantsoa, Vatomandry, Ambatolampy. Tena nampitahorina izahay mba tsy hieritreritra izany tolona izany intsony. Noravana ny fananako, nampihorohoroana ny fianakaviako. Zary nataho-dava ireo zanako 5, 8 ary 11 taona. Faniriako hatrany ny tokony hamoahana izay gadra mbola tavela any am-ponja noho ny resaka politika. Tsy tanjona eto amin’ity Nosy ity ny mifanagadragadra fahatany fa tsy misy olona tsy diso izany teto ary samy zanak’Andriamanitra izao tokony hifamela heloka. Tsy ny mpanao politika ihany no mila fampihavanana fa ny vahoaka manontolo hatrany ambanivolo lavitra any”.

 

Raoelina Irène (Anabavin’ny Jeneraly Raoelina) :

“Mahagaga hatreto fa tsy mbola nisy zavatra nataon’ny fitondrana vaovao ho an’ny havanay voatazona any am-ponja noho ny raharaha politika. Mbola “prévenu” hatreto ny anadahiko sy ireo miaraka voatana aminy fa tsy mbola “condamné” nefa dia mijanona an-taonany maro any am-ponja any. Tsy mitsahatra mangataka ny amoahana ny havanay izahay. Hisaoranay manokana aloha ny mpiara-mitolona ao amin’ny Magro tsy nitsahatra nitaky izany andro aman’alina, eo koa ny fikambanana najoronay nanampy an’izany. Mafy ho an’ny fianakaviana ny zavatra iainana satria loham-pianakaviana ireo, manan-janaka manambady. Efatra ny zanaky ny Jeneraly Raoelina nivoaka nanambady nefa tsy nisy natrehany na iray aza. Amiko raha te hanana taranaka vanona isika dia tokony ho eo anatrehan’ny ray aman-dreniny izy ireo fa tsy giazana fotsiny any am-ponja any amin’ny tsy antony ilay ray mpananatra”.

 

Mme Fikisi Norosoa (Vadin’ny GP 2 Fikisi Lydie)

«Ny zavatra azoko ambara dia mino aho fa hivoaka amin’izay ireo gadra politika rehetra fa miankina amin’ny teny fohy ataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izany. Tsy mieritreritra zavatra hafa noho izany aho fa efa niteny fampihavanana izy. Disadisa ara-politika fotsiny no nampidirana ny vadiko any am-ponja. Mangataka ny filoham-pirenena aho mba hamoaka an’ireo gadra politika ireo fa efa mijaly mafy izahay vady aman-janany, tsy mandray karama intsony tao anatin’ny telo taona, ny ankizy efa tsy mianatra intsony, ny fiainana tsizarizary. Sasa lamba no mba hivelomana. Mino izahay fa hanao izany izy. Hatramin’izay efa-taona naha tany Tsiafahy azy izay dia in-droa isam-bolana sisa no afaka mitsidika azy ary 15 minitra no mihaona raha be indrindra ary fanampian’olona aza no afahana manao izany. Be ny aretina any am-ponja izao, tena manahirana ny mitady vola hividianana fanafody hiadiana amin’izany.”

Razanadimby Fanomeza (Inspektera Polisy)

«Fony izahay nosamborina dia tsy nisy fanadihadiana natao anay fa notazonina folo andro teny Ambohibao (CNME) fa hoe miandry toromarika avy amin-dRazanamahasoa Christine minisitry ny fitsarana, hono. Tonga teny amin’ny fitsarana izahay, mba nalahelo anay ihany ny mpitsara tao fa tsy afa-nanoatra fa tratra ny tsindry fa tsy maintsy hadoboka izahay. Tsy jadona ve izany ? Tsy mora ny miditra am-ponja fa mafy ny sedrain’ny fianakaviana. Izaho dia manamboninahitra. Tsy mendrika izany manamboninahitra izany ny higadra amin’ny tsy antony. Ny tsy tantin’ny vavoniko hatramin’izao ary mbola mampiteny ahy foana dia ny hoe : roa taona sy tapany notanana am-ponja izahay tsy notsaraina nefa tonga ny fitsarana dia afaka madiodio. Tan-dalàna ve ny tetezamita tamin’izany ? Satria efa nivoaka ny fonja aho tsy meloka nefa tsy nodinihana ny dosieko hatramin’izao ka tsy mbola tafaverina amin’ny asako aho, tsy mandray karama. Mijanona fotsiny eo anivon’ny tompon’andraikitra misahana ny asanay ny dosie nefa isika midradradradra ny fampihavanam-pirenena. Izaho olona avy any amin’ny Faritra ivelan’Antananarivo. Ho an’ny fianakaviana sy fiarahamonina any dia sarotra ny miresaka amin’izany olona avy nigadra izany. Nefa resaka politika moa ity raharaha ity ka miankina amin’ny foto-pisainana sisa ny miseho. Hafatra ho an’ny mpitandro filaminana namana : rehefa mahazo toerana, aza manao tsindrio fa lavo ny namana lasa any am-ponja fa tsy misy toerana haharitra mandrakizay izany.

Ralaimampisainarinony Manoela (Tanora Tim mpitari-tolon’ny ara-dalàna)

Tolona natao tsy fanekena zavatra nataon’ny mpitondra FAT notaterina an-kabary no nisamborana ahy ary nandefasana ahy tany am-ponjan’i Tsiafahy sy nafindra teny amin’ny Maputo Antanimora avy eo. Nahafaty ny rahalahiko sy ny reniko noho ny aretim-po izany ary ireo zanako aza lasa miendratrendratra mataho-dava, miahiahy foana hoe hosamborina indray i dada ? aiza i dada ? (fony tany am-ponja). Namana sy ireny manamboninahitra niara-nigadra ireny no nanome sakafo ahy fa tsy nisy havana mbola tonga teto Iarivo. Nisy malala-tanana mpitolona avy eo ary raiamandrenibe tsy mba hohadinoiko mandra-pahafatiko nanatitra kidoro « éponge » sy sakafo maro avy eo. Hisaorako koa ny mpiara-mitolona Magro nanao ny tsirambin’ny tanana nanampy betsaka ahy tany am-ponja. Tena mitovitovy amin’ireny fasana ireny ny tany Tsiafahy fa varavaram-by fotsiny. Tena mangatsiaka na misy kidoro “éponge” aza. Niverina an-kianja aho rehefa tafavoaka, tsy natahotra satria fahamarinana no nataoko fa tsy nangalatra aho, tsy namono olona, tsy nanao heloka hafa. Mbola niverina nikabary koa aho fa mbola maro ny namana tavela any am-pigadrana tsy maintsy angatahana hivoaka. Efa nahavelom-bolo ny fanambarana nataon’ny Gic-M mandalo eto amintsika ankehitriny ka any amin’ny filoha Rajaonarimampianina izany ny baolina.

 

Rangodonarison Roger Guy (Tompon’andraikitry ny fiarovana ny mpitolon’ny ara-dalàna)

“Amin’ny maha olombelona dia tsy tsara izany gadra izany. Amin’ny maha Malagasy, eo amin’ny fiarahamonina dia tsy tsara ihany koa, indrindra raha nisy hadisoana na heloka natao. Ny antony nisamborana ahy dia ny andraikitro : fandaminana ny Legalista teny amin’ny fanateram-boninkazo tamin’ny 29 martsa 2010 teny Ambohijatovo. Nanara-maso ny mpitolona tsy hihoa-pefy ary dia voatandro izany saingy rehefa nidina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny hetsika dia nosamborina ny tena fa hoe nanimba voninkazo teny amin’ny zaridaina sy naniratsira adzidà ary nitondra olona an-dalambe tsy nahazo alalana. Nigadra telo volana sazy mihatra aho, tsy nampakatra ny raharaha fa nozakaiko fa fitiavan-tanindrazana. Henjana izany migadra izany fa sahirana ny fianakaviana ary miady ihany koa ny saina. Koa mangataka ny hamoahana tsy misy hatak’andro an’ireo gadra politika mbola any am-ponja ny tenako ary koa mangataka amin’ireo mpikarakara ny famotsoran-keloka mba hanome izany na ho an’ireo mangataka na tsia.

Evariste Ramanantsoavina (Mpanao gazety voalohany niharan’ny fanagadrana ara-politika)

“Ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety dia tsy mamela ny fanjakana hisambotra sy hanameloka mpanao gazety fa ny talen’ny famoahana ao amin’ny orinasa fanaovan-gazety iasan’ilay olona no tokony hantsoina sy hadihadiana raha misy hadisoana mivoaka an-gazety. Mahagaga anefa anefa fa mpanao gazety tsotra ny tenako nefa dia nampiharana ny tsy tokony hampiharina ary ny mampalahelo dia tao anaty fitondrana nahabe mpanao gazety tompon’andraikitra indrindra, na minisitra na hatreny amin’ny prezidansa … no nisian’ny fampidirana am-ponja mpanao gazety maro niatomboka tamiko. Efa nilaza izahay sy ny namana Lolo Ratsimba (Radio Fahazavana) fa tsy mendrika izany mpanao gazety izany ny miditra any am-ponja, ary aoka mba hifarana eo aminay ireo izany, nefa dia mbola marobe ihany no nampidirina taorian’izay. Tena “record” tamin’ny fampidirana am-ponja mpanao gazety ny fitondrana tetezamita 2009-2014. Efa nambarako ampahibemaso teny amin’ny Magro Ankorondrano iray andro taorian’ny nivoahako an’Antanimora fa tsy anjarako ny manameloka na hamalifaty n’iza n’iza, na dia tsy voasanda vola aza ny lemin-tsaina nianjady tamin-janako sy ireo zafikeliko nisitritsitrika teny anelanelan’ny miaramila mirongo basy tao an-trano nisambotra ahy, fa ny lalàn’ny natiora ary indrindra indrindra ny lalàna ara-pinoana dia tsy mamela foana ny mpanendry na mpanameloka olona tsy meloka. Mamela azy ireo hatrany anefa izahay na ahoana na ahoana fa samy zanak’Andriamanitra”.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT