Efa eo am-pamaranana ny fandinihana ny fanendrena izay ho praiminisitra ny tenako amin’izao fotoana, hoy i Hery Rajaonarimampianina ny sabotsy 29 martsa lasa teo raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy.
Hanomboka ny 2 aprily ny fivorian’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Vondrona Afrikanina any Bruxelles. Voaasa hanatrika izany ny filoha, rah any loharanom-baovao rehetra dia ny azo antoka fa ho aorian’ny fandehanany any Bruxelles ny fanendrena ny praiminisitra. Ny faran’ny herinandro teo dia re fa namory mpitarika antoko ny talen’ny kabinetran’ny filoha, Rabary-Njaka Henri nampitovy tadin-dokanga mikasika ilay antsoina hoe maro an’isa, mampifanolana, ivelan’izay efa nambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana.
Etsy ankilany anefa ny MAPAR namoaka fanambarana omaly fa hanova ny anarana praiminisitra, raha nanizingizina hatrany fa i Resampa Haja ihany no fantany. Raha ny fanambarana nataon’ny MAPAR omaly dia hotsipahiny indray izany i Resampa Haja, fiovan-kevitra tsy atao mahagaga satria izay no efa nahafantarana ny miaraka amin’i Andry Rajoelina hatrany Maputo tamin’ny 2009. Tsy nilaza izay anarana nasolo azy anefa ny MAPAR fa dia nobiriboriany fotsiny fa efa efatra andro izay no nampitaina any amin’ny filoha miaraka amin’ny anaran’ireo minisitra miaraka aminy. Ny loharanom-baovao akaiky ireo mpanolotsaina manokan’ny filoha anefa etsy ankilany milaza fa tsy misy resaka anarana voarain’izy ireo izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.