Politique

Antenimieram-pirenena Voadaka ny MAPAR


  • Zoma 28 Martsa 2014

Nambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra mitondra ny laharana 05-HCC/D3 navoakany omaly fa tsy ara-dalàna ary tsy azo ekena ny fampiasana ny fitsipika anatin’ny Antenimieram-pirenena, satria tsy nandalo teny amin’ny HCC mba hohamarinina ilay izy.

 Mandidy ny eny Tsimbazaza mba hamerina handrafitra fitsipika anatiny vaovao ary mametraka izany eny aminy noho izany ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Tsy maintsy averina noho izany ny fifidianana ny birao maharitra, mbola manohy ny asany kosa anefa ny birao maharitra misy ankehitriny mandra-pahavitan’io fifidianana vaovao io. Nohamarinin’ny HCC noho izany ny fandikan-dalàna mibaribary nataon’ny MAPAR teny amin’ny Antenimeram-pirenena ka nandaniana maimaika ny mpikambana ao amin’ny Birao maharitra sy ireo filoham-baomiera.

Omaly hariva ihany dia nanao fanambarana ny Birao maharitra, tarihin-dRtoa Razanamahasoa Christine, nilaza fa “manohitra marindrano ny tetika na fikasana rehetra, na ankolaka na mivantana handravana ny Birao maharitra, indrindra amin’ny alalan’ny fampiasana ny Fitsarana ho fitaovana hoentina hanatanterahana izany”. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT