Raha efa miomana fatratra hiatrika ny fifidianana Ben’ny tanàna ho avy eo ireo mpanao politika vao misandratra any amin’iny Distrikan’i Faradofay, dia tsy mbola nandrenesam-peo kosa ireo mpanao politika fanta-daza any an-toerana, toa an’i Soja Jean André na Kaleta sy Bruno Josvah, izay samy olom-boafidy teo aloha.
Tazana hatrany amin’izay fitondrana mijoro iry voalohany noho izy sakaizan’ny mpandresy, mahay mivadibadi-dela. Senatera i Kaleta tamin’ny fitondrana Ravalomanana, mbola voatendry ho CST indray nandritra ny fitondrana FAT. Nanandrana nilatsaka hofidina solombavambahoaka tao Amboasary Atsimo tamin’ny anaran’ny VPM/MMM indray izy farany teo saingy nandamoka. Nangina tsy nandrenesam-peo izy taorian’izay.
Solombavambahoaka voafidy in-droa misesy tao Tolagnaro kosa i Bruno Josvah. Tsy nandrenesam-peo izy taorian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009. Nanaitra ny maro ny tsy nirotsahany hofidina ho depiote ny volana desambra teo. Na izany aza dia nilaza ny tenany fa hitolona ary hanome fahafaham-po ny vahoaka amin’ny fitadiavana tolo-tanana hiarovana ny madinika amin’ny herisetra sy fanaparam-pahefana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.