• Alakamisy 22 Janoary 2015
Politique.Ambalambahoaka Tsy mbola nanolotra olona hatao minisitra izany

Mitsipaka marindrano amin’ny feo aely etsy sy eroa izahay fikambanana Ambalambahoaka fa tsy mbola nanolotra olona ho ao anatin’ny governemanta vaovao izany, hoy Atoa Rakotoarisoa Gilbert na i Prezidà Bebera nitarika ny fanambarana nataon-dry zareo nanoloana ny mpanao gazety omaly. Tena manana olona ho amin’izany toerana izany tokoa izahay, hoy izy, saingy manana rafitra mazava nametrahanay ho ambony ny raiamandreny nametrahanay fitokisana ka izy ireo no manan-jo amin’ny fanendrena izany raha ilaina.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 22 Janoary 2015
Politique.Atallah Béatrice Hitarika mpanaramaso fifidianana any Kaomaoro

Notendren’ny sekretera jeneralin’ny frankôfônia hitarika ny delegasionan’ny frankôfônia hanara-maso ny fifidianana solombavambahoaka hatao any Kaomaoro amin’ny alahady 25 janoary

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 22 Janoary 2015
Politique.Tsy honohono intsony …

Fa loza inona indray ary ity mitranga ity e ? Io no ambetin-dresaky ny olona maro hatramin’ny nampikija ny orana sy nampiakatra ny rano tamina faritra maro teto amin’ny nosy. Anisan’ny tena voa mafy moa ny faritra Analamanga, Alaotra, Atsimo atsinanana,

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 22 Janoary 2015
Politique.Jeneraly Rakotozafy Dominique Hatao filohan’ny «Haut Conseil de la Défense Nationale» ?

Eo am-piandrasana ny fijoroan’ny governemanta Ravelonarivo Jean dia maro ny resaka mandeha sy ny tombantombana samihafa. Eo anivon’ny tafika ohatra dia resahina betsaka amin’izao fa mety hankinina amin’olon-kafa ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ary hakisaka any amin’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovam-pirenena (Haut Conseil de la Défense Nationale) ny jeneraly

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 22 Janoary 2015
Politique.Hery Rajaonarimampianina Nijery akaiky ireo traboina tany Atsimo atsinanana

Nitsidika ny mponina tany Farafangana, Manakara ary Mananjary izay tena voa mafy tokoa omaly, nijery ireo fahavoazana noho ny fandalovan’ny rivodoza Chedza ny fitondram-panjakana notarihan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra ary minisitra vitsivitsy.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 22 Janoary 2015
Politique.Mpampianatra FRAM Vakinankaratra Mandrahona hitokona indray

Manangasanga indray ny fitokonana ho an’ny mpampianatra Fram ao Vakinankaratra. Leo tanteraka ny fampanantenana lavareny ataon’ny mpitantana izy ireo raha ny nambaran’ny solontenan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety.

Hamaky ny tohiny
FTT