Politique

Tsy honohono intsony …


  • Alakamisy 22 Janoary 2015

Fa loza inona indray ary ity mitranga ity e ? Io no ambetin-dresaky ny olona maro hatramin’ny nampikija ny orana sy nampiakatra ny rano tamina faritra maro teto amin’ny nosy. Anisan’ny tena voa mafy moa ny faritra Analamanga, Alaotra, Atsimo atsinanana,

 

Vatovavy Fitovinany. Efa mampatahotra ny haavon’ireo renirano 3 lehibe mamakivaky an’Antananarivo. Maro be ireo trano biriky tsy voalalotra hita eny rehetra eny no efa kely sisa dia hirodana. Maro ny tanimbary sy tanimboly efa dibo-drano, misy ihany koa ny lalam-pirenena tapaka tanteraka noho ny fiakaran’ny rano sy fahasimban’ny tetezana. Lasa izany ny valala dia io fa tonga indray ny tondra-drano rehefa avy namono olona efa ho 50 ny kolera. “Fa dia efa voaozona mihitsy ve ity Madagasikara ity ?”, hoy indray ny olona sasany. Misy ny mihevitra indray fa famaizan’Andriamanitra izao zava-mitranga izao. Ao koa anefa no mahita fa ny toetr’andro maneran-tany mihitsy no efa tena miha ratsy, noho ny nataon’ny olombelona ihany, izay nandripaka ny ala sy nanimba ny tontolo iainana, ary tsy afa-bela amin’io isika eto Madagasikara. Adihevitra mety ho lava be ny fandinihana ny antony mahatonga izao rehetra izao, fa ny tokony hifantohan’ny saina dia ny fiatrehana azy. Inona no atao ? Inona no fepetra tsy maintsy raisina ? Ahoana ny andraikitry ny tsirairay. Fifanomezan-tanana no tena ilaina, fahamailoana ary fanarahana ny fandaminana. Indraindray mantsy misy ihany ny mafy loha sy sarotra atoro. Rehefa tenenina hoe mila miala amin’io trano io fa mifindra atsy na aroa dia tanterahana izany mba hisorohana ny zava-doza mety hitranga. Tsy honohono na tantara tsangana izy ity fa zava-misy marina ka aoka mba samy hitandrina e !

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT