Nitsidika ny mponina tany Farafangana, Manakara ary Mananjary izay tena voa mafy tokoa omaly, nijery ireo fahavoazana noho ny fandalovan’ny rivodoza Chedza ny fitondram-panjakana notarihan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra ary minisitra vitsivitsy.
Nisy ny fanampiana maika nomena ireo traboina nahitana vary 15 taonina, voamaina 10 taonina, menaka 200 litatra, siramamy 500 kg, labozia ary ireo kojakoja sy fitaovana ilaina ao an-dakozia. Nanome toky ny filoha fa harenina ny RNM sy TVM ao Mananjary satria mila maharaka vaovao ny vahoaka. Zava-dehibe ny fandraisan’andraikitra sy ny fifanomezan-tanana, hoy ny filoham-pirenena. Mahavelom-bolo ny mahita anareo tsy kivy fa miarin-doha hatrany na dia teo aza ny fahasahiranana, hoy izy tao Manakara, izany indrindra no ilaintsika mba handresena ny fahasahiranana rehetra, hoy ingahy filoha. Raha mbola eo am-pijerena ny zavatra simba, eo am-panisana ny traboina sy namoy ny ainy noho ny rivodoza Chedza isika, dia efa miala any sahady koa ny andro ratsy any avaratry ny nosy, orana mikija nandritra ny 3 andro izao no nisy Tany amin’ny faritra DIANA iny, ary fantatra fa efa nisy olona 1 maty tao amin’ny kaominina Tsongameloka – Ambanja, manodidina ny 640 kosa ireo tsy manan-kialofana hatramin’ny omaly hariva.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.