Mitsipaka marindrano amin’ny feo aely etsy sy eroa izahay fikambanana Ambalambahoaka fa tsy mbola nanolotra olona ho ao anatin’ny governemanta vaovao izany, hoy Atoa Rakotoarisoa Gilbert na i Prezidà Bebera nitarika ny fanambarana nataon-dry zareo nanoloana ny mpanao gazety omaly. Tena manana olona ho amin’izany toerana izany tokoa izahay, hoy izy, saingy manana rafitra mazava nametrahanay ho ambony ny raiamandreny nametrahanay fitokisana ka izy ireo no manan-jo amin’ny fanendrena izany raha ilaina.
Hamafisinay etoana, hoy ny Prezidà Bebera, fa tsy nanome alàlana vondron’olona hanao fanambarana mikasika izany fanolorana olona ho minisitra izany ny fikambanana Ambalambahoaka, noho io antony voalaza io. Tsy natao hitadiavana toerana rahateo koa ny fikambanana toy izao, satria fikambanana tsy natao hitadiavana toerana ny Ambalambahoaka fa hoentina kosa manarina ny fiainam-bahoaka sy ny fomba fanao politika tsy nahomby hatramin’izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.