Politique

Jeneraly Rakotozafy Dominique Hatao filohan’ny «Haut Conseil de la Défense Nationale» ?


  • Alakamisy 22 Janoary 2015

Eo am-piandrasana ny fijoroan’ny governemanta Ravelonarivo Jean dia maro ny resaka mandeha sy ny tombantombana samihafa. Eo anivon’ny tafika ohatra dia resahina betsaka amin’izao fa mety hankinina amin’olon-kafa ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ary hakisaka any amin’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovam-pirenena (Haut Conseil de la Défense Nationale) ny jeneraly


Rakotozafy Dominique Jean Olivier, tompon-toerana. Mety ho izay rahateo, hoy ireo loharanom-baovao samihafa, no nanondrotana ho eo amin’ny laharam-boninahitra «Général de corps d’armée» an’ity farany, niaraka tamin’ny Sekretera jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika Ralala Roger, ny minisitry ny toekarena sy ny teti-pivoarana Raveloharison Herilanto, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Paza Didier ary ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika malagasy Rasolofinirina Béni Xavier. Ny andininy faha-56 ao amin’ny lalàmpanorenana no manondro ny hananganana ny «Haut Conseil de la Défense Nationale» ary lalàna no mamaritra ny firafiny sy ny andraikiny. Voasolotena ao avokoa ireo antokon-tafika eo anivon’ny foloalindahy dia ny tafika an-tanety, tafika an-dranomasina, tafika ana habakabaka ary ny zandarimariam-pirenena. Ny be grady indrindra mbola amperinasa no filohany, izay tendrena amin’ny didim-panjakana. Tsara toerana amin’izany ny «Général de corps d’armée» Rakotozafy Dominique Jean Olivier. Teraka tamin’ny 10 aogositra 1959 (56 taona) tany Andapa ity jeneraly avy amin’ny andiany faha-11 nivoaka tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ity. Marihina fa mbola ny jeneraly Rakotozafy Dominique no talen’ny kabinetra miaramila eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, andraikitra efa notanany hatramin’ny martsa 2011 fony mbola tetezamita, nampivadiany tamin’ny asa maha minisitry ny fiarovam-pirenena azy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT