• Alatsinainy 26 Janoary 2015
Politique.Hery Rajaonarimampianina Be resaka fotsiny ?

Nody fanina tamin’ny fanontaniana momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly alina ny filoha Hery Rajaonarimampianina raha nanontanian’ny mpanao gazety. Voavaliny tsara ny fanontaniana rehetra, nahagaga anefa fa io fanontaniana farany io no adinony, tena niesona ve ny filoha sa niala bala tsotra izao ?

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Janoary 2015
Politique.Air Madagascar Efa nikatona raha tsy i Marc Ravalomanana

Mitsipozipozy mila hamono tena ny Air Madagascar. Azo isaina amin’ny rantsan-tanana ny fiaramanidina afaka miasa ao amin’ity kaompaniam-pirenena amin’ny fitaterana anabakabaka ity, dia Twin iray, ATR42 sy ATR72 iray avy, ity farany moa dia azo tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana, miampy Boeing 737 – 300 iray dia ilay «Force One I» teo aloha. Momba ireo fiaramanidina frantsay Airbus A340 roa nampidirin’ny fitondrana tetezamitan-dRajoelina indray dia mbola anatin’ny fanamboarana tanteraka ny iray ka tsy afa-miasa, ny faharoa kosa tsy mahazo mandeha afa-tsy any Azia.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Janoary 2015
Politique.RAZAKANDRAINY BEZORO

« Tsy handrombaka fahefana aho, fa hiverina amin’ny alalan’ny latsa-baton’ny vahoaka » Ho kandika Ben’ny tanàna ao anatin’ny kaominina Antehiroka Razakandrainy Bezoro amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ho avy izao.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Janoary 2015
Politique.Kongresin’ny Antoko TIM Atao mialoha ny fifidianana ben’ny tanàna

Nanambara ny mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana sady mpikambana eo anivon’ny Antoko Tiako I Madagasikara Atoa Guy Rivo Randrianarisoa fa mijoro ary miroborobo ny antoko.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Janoary 2015
Politique.Dokotera Elie Rasoanaivo Vonona hitondra ny traikefany amin’ny fanarenam-pirenena

Manaraka hatrany ny raharaham-pirenena ny solombavambahoaka teo aloha tany Ambatondrazaka dokotera Rasoanaivo Elie. Nahafantarana azy ny fahazotoana mandray andraikitra eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny tontolo ny fitsaboana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Janoary 2015
Politique.Fifidianana kaominaly Famatsiam-bola malagasy 100% !

Namory ny tompon’andraiki-panjakana izay voakasiky ny raharaham-pifidianana mivantana na ankolaka ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga ny Filoha Nasionalin’ny CENI-T, Rtoa Atallah Béatrice ho famaranana ny fitsidihana nataony nandritra ny telo andro, nanomboka ny alatsinainy 19 hatramin’ny alarobia 21 janoary 2015 tao amin’ny Tanànan’ny Voninkazo

Hamaky ny tohiny
FTT