Notendren’ny sekretera jeneralin’ny frankôfônia hitarika ny delegasionan’ny frankôfônia hanara-maso ny fifidianana solombavambahoaka hatao any Kaomaoro amin’ny alahady 25 janoary
izao, ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana tamin’ny tetezamita na CENI-T, Atallah Béatrice. Efa im-betsaka nihemotra ity fifidianana ity, fa io amin’ny alahady io izany vao ho raikitra ny fihodinana voalohany ary hotanterahina amin’ny 22 febroary kosa ny fihodinana faharoa. Anio no hihazo an’i Kaomaoro ny filohan’ny CENI-T.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.