Politique

Air Madagascar Efa nikatona raha tsy i Marc Ravalomanana


  • Zoma 23 Janoary 2015

Mitsipozipozy mila hamono tena ny Air Madagascar. Azo isaina amin’ny rantsan-tanana ny fiaramanidina afaka miasa ao amin’ity kaompaniam-pirenena amin’ny fitaterana anabakabaka ity, dia Twin iray, ATR42 sy ATR72 iray avy, ity farany moa dia azo tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana, miampy Boeing 737 – 300 iray dia ilay «Force One I» teo aloha. Momba ireo fiaramanidina frantsay Airbus A340 roa nampidirin’ny fitondrana tetezamitan-dRajoelina indray dia mbola anatin’ny fanamboarana tanteraka ny iray ka tsy afa-miasa, ny faharoa kosa tsy mahazo mandeha afa-tsy any Azia.

 
Izao vao miaiky ny rehetra fa raha tsy teo ilay «Force One I» tamin’i Dada io dia efa nikatona ny Air Madagascar. Io Boeing 737 – 300 io no misahana ny sidina anatiny sy aty amin’ny faritra rehetra, mahavita sidina in-telo ka hatramin’ny efatra isan’andro, ny mpanamory fotsiny no miovaova. Na eo aza anefa izany dia mandeha ny feo fa misy mikononkonona zavatra hafahafa eo anivon’ity orinasam-panjakana ity. Araka ny loharanom-baovao samihafa dia eo anatrehan’ny trosa miavosa baben’ny Air Madagascar dia mody hoe hakatona dia miesona sy miala maina any ireo manam-bola amin’ity kaompania nasionaly ity. Ovaina anarana avy eo, izay vao sokafana indray.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT