Politique

Hery Rajaonarimampianina Be resaka fotsiny ?


  • Alatsinainy 26 Janoary 2015

Nody fanina tamin’ny fanontaniana momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly alina ny filoha Hery Rajaonarimampianina raha nanontanian’ny mpanao gazety. Voavaliny tsara ny fanontaniana rehetra, nahagaga anefa fa io fanontaniana farany io no adinony, tena niesona ve ny filoha sa niala bala tsotra izao ?

 

Nanadio tena

Nanadio tena ny amin’ny tsy fisian’ny asa tena mivaingana vita ny filoha ka nilaza fa  tsy ampy ny herintaona mba hanovana ny firenena niaina fahasahiranana nandritra ny 50 taona. Efa miroso ny fampihavanana ny tenako no mitarika azy satria izay no ambaran’ny lalàmpanorenana, mandeha tsimoramora isan’andro ny fametrahana ny fitoniana, hoy hatrany izy. Nahazo tsindrom-paingotra avy amin’ny filoham-pirenena koa omaly ny “Collectif d’Ambodivona”, avy amin-dry zareo ihany no antony tsy nahatanteraka ilay fihaonana, hoy izy satria hafahafa fomba fiasa ry zareo. Novakian’i Hery Rajaonarimampianina bantsilana koa fa misy olona milaza azy hoe mpanohitra ka manakiana mafy ny fitondram-panjakana, avy eo anefa mitelefaonina azy ka milaza hoe :”hiaraka hiasa aminao ary manohana anao izahay Atoa filoha”. Nampanantena moa ny filoham-pirenena fa hisy ny asa goavana, fanamboaran-dalana sy seranam-piaramanidina amin’ity taona ity, ho avy ny dinika miaraka amin’ny vondrona eoropeanina afaka iray volana.

 

Mahay miresaka

Mbola ny CENIT ihany aloha no hanao fifidianana, azo ovaina anefa io raha tena ilaina tokoa ny fanovana azy, hoy i Hery Rajaonarimampianina. Notsipihany mazava ihany koa fa  tsy nisy resaka momba ny fananganana governemanta mihitsy na dia kely aza ny fivorian’ireo filoha 5. Anjaran’ny filoha am-perinasa no misafidy araka izay hitany hoe mety ho praiminisitra sy ho minisitra, hoy izy. Tsy governemantan’ny marimaritra iraisana intsony no misy amin’izao fotoana, hoy izy. Milaza ingahy filoha fa mahalala ny zava-drehetra manjo ny vahoaka, tsy miesona aho na matory hoy izy, saingy tsy izaho irery no hiasa fa tsy maintsy mifanome tanana isika. Raha resaka sy kabary aloha dia mahay ny filoha Rajaonarimampianina, fa ahoana kosa ny tena asa amin’izay rehefa avy eo, izy no nampanantena tamin’ny 25 janoary 2014 fa ho foana ao anatin’ny 3 volana ny delestazy, 12 volana anefa izay no dila fa mbola misy delestazy ihany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT