Politique

Fifidianana kaominaly Famatsiam-bola malagasy 100% !


  • Zoma 23 Janoary 2015

Namory ny tompon’andraiki-panjakana izay voakasiky ny raharaham-pifidianana mivantana na ankolaka ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga ny Filoha Nasionalin’ny CENI-T, Rtoa Atallah Béatrice ho famaranana ny fitsidihana nataony nandritra ny telo andro, nanomboka ny alatsinainy 19 hatramin’ny alarobia 21 janoary 2015 tao amin’ny Tanànan’ny Voninkazo

. Nambaran-dRtoa Atallah Béatrice fa “mety ho ny Fanjakana Malagasy no hiantoka manontolo ny vola hanatanterahana ny fifidianana Kaominaly ho avy io”. Ny antony, hoy izy dia “nilaza ny mpamatsy vola mahazatra fa tsy tafiditra intsony amin’ny sora-bolan’izy ireo ho an’ny taona 2015 io fifidianana io satria tara loatra ny hanatanterahana azy”. Noho io dia mitety ireo Faritany enina ny CENI-T mba hanentana ny rehetra hiaraka hisalahy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly izay taratry ny firenena demokratika. “Mila fifidianana madio sy eken’ny rehetra isika”, hoy ihany ny Filohan’ny CENI-T.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT