• Talata 27 Janoary 2015
Politique.Governemanta Raikitra ny famindram-pahefana

Ny ampitson’ny nitsanganan’ny governemanta dia efa nanomboka ireo famindram-pahefana teo amin’ireo minisitra teo aloha sy ireo vaovao. Anisan’ny nahavita izany omaly ny tao amin’ny minisiteran’ny mponina etsy Ambohijatovo, teo amin-dRamatoa minisitra teo aloha Eléonore Johasy sy ny vaovao Onitiana Realy.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 27 Janoary 2015
Politique.Ankolafy Rajoelina Resy tanteraka !

Nangina, tsy hita popoka, tsy re feo intsony taorian’ny nitsanganan’ny governemanta ny ankolafy Rajoelina. Tsy isalasalana intsony ny ilazana fa vaky ny ady eo amin-dRajaonarimampianina sy ireo Mapar sisa nanamborana mialokaloka eo ambany hatezeran-dRajoelina.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 26 Janoary 2015
Politique.Raharaha «Alatsinainy Mainty» Hivoaka amin’izay ny marina

26 janoary 2009-26 janoary 2015 : Feno enin-taona katroka androany ny «Alatsinainy Mainty» nisian’ny fanapotehana sy fandorana narahina fandrobana ireo tranom-barotra lehibe fananan’ireo teratany Malagasy sy vahiny akaiky ny fitondrana Ravalomanana manerana ny Nosy. Lasibatra manokana tao anatin’izany moa ny haino aman-jerim-bahoaka TVM sy RNM eny Anosy izay toa lasa tanàna haolo ankehitriny. 72 volana aty aorian’ny trangan-javatra mampalahelo nisian’ny fihetsiketsehana fampiasan-kery izay niafara tamin’ny fanimban-javatra sy famoizana ain’olona an-jatony maro isika amin’ity andron’ny alatsinainy 26 janoary 2015

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 26 Janoary 2015
Politique.Dinika teny Faravohitra Hiova endrika ny ankolafy Ravalomanana

Nivoaka ny anaran’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny governemanta Ravelonarivo Jean. Diso fanantenana tamin’ny firafiny ny depiote TIM, hoy ny mpitondra teniny, satria tsy mifandanja amin’ny isan’ny depiote nanolotra ny isan’ny minisitra azon’ny ankolafin-kery isanisany ao amin’io governemanta vaovao io.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 26 Janoary 2015
Politique.Rajhonson Maminiriana Lalàna ratsy ilay fizarazarana an’Antananarivo iny

Tsy nifidy an’ilay lalàna misy ny fizarazarana an’Antananarivo Renivohitra ny tenako, hoy ny depiote Rajhonson Lantoarijaona Maminiriana Tsitohaina avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, satria efa fantatra fa ratsy iny volavolan-dalàna iny ary hanimba zavatra be dia be amin’ny fitantanana an’Antananarivo

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 26 Janoary 2015
Politique.Hafari Malagasy Ho raisin’ny praiministra eny Mahazoarivo

Na dia miova aza ny olona mitantana ny govenemanta eny Mahazoarivo noho ny fanendren’ny filoha Rajaonarimampianina ny praiministra vaovao dia mitohy ihany kosa ny fiaraha-midinika eo

Hamaky ny tohiny
FTT