Politique

Dokotera Elie Rasoanaivo Vonona hitondra ny traikefany amin’ny fanarenam-pirenena


  • Zoma 23 Janoary 2015

Manaraka hatrany ny raharaham-pirenena ny solombavambahoaka teo aloha tany Ambatondrazaka dokotera Rasoanaivo Elie. Nahafantarana azy ny fahazotoana mandray andraikitra eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny tontolo ny fitsaboana.

 

Nisongadina ny zavatra vitany nandritra ny nitantanany ny hopitaly tao Ambatondrazaka sy ny naha solombavambahoaka azy. Nanambara tamin’ny mpanao gazety ny lehilahy ankehitriny fa vonona ny hifanome tanana amin’ny fitondrana eo amin’ny ezaka ho fanarenam-pirenena. Tsy nihanona fotsiny tamin’ny fitandroana ny fahasalamam-bahoaka ny tenany fa nikaroka mpiara-miombonantoka afaka hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra Alaotra Mangoro. Tapaka tampoka anefa izany ezaka nataony izany vokatry ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Tsy kivy ny tenany fa mbola mijoro hatrany manampy ny vahoaka amin’izay kely eo am-pelatanany. Raha tian’ny fitondrana ny hitondrako ny anjara biriky eo amin’ny ady amin’ny fahantrana dia vonona aho, hoy izy. Vonona ho anisan’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta izany ny lehilahy raha io teniny io no zohina. Ny filoham-pirenena sy ny Praiministra ihany anefa no tompon’ny teny farany, ireo izay samy milokaloka fa ho taratry ny fampihavanam-pirenena ny governemanta hitsangana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT