Politique

Raharaha «Alatsinainy Mainty» Hivoaka amin’izay ny marina


  • Alatsinainy 26 Janoary 2015

26 janoary 2009-26 janoary 2015 : Feno enin-taona katroka androany ny «Alatsinainy Mainty» nisian’ny fanapotehana sy fandorana narahina fandrobana ireo tranom-barotra lehibe fananan’ireo teratany Malagasy sy vahiny akaiky ny fitondrana Ravalomanana manerana ny Nosy. Lasibatra manokana tao anatin’izany moa ny haino aman-jerim-bahoaka TVM sy RNM eny Anosy izay toa lasa tanŕna haolo ankehitriny. 72 volana aty aorian’ny trangan-javatra mampalahelo nisian’ny fihetsiketsehana fampiasan-kery izay niafara tamin’ny fanimban-javatra sy famoizana ain’olona an-jatony maro isika amin’ity andron’ny alatsinainy 26 janoary 2015

 

 ity saingy ninian’ny mpitondra tetezamita tsy noresahana mihitsy io raharaha iray nanamaloka ny fiainam-pirenena Malagasy io. Herintaona omaly 25 janoary 2015 ihany koa izay no nijoroan’ny fanjakana manaraka ny Lalàmpanorenana fa toa tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny fanjakana mahefa mihitsy hatreto ny hijery ny fanonerana na fanampiana ireo niharam-boina tamin’izany fotoana izany. Ny somary mahavariana sy manahirana ny mpanara-baovao nandritra ny 5 taona nitantanan’i Andry Rajoelina ny tetezamita dia ny nihazakazahana nanaovana ny fanadihadiana miaraka amin’ny didim-pitsarana haingana mikasika ny raharaha 7 febroary 2009 ka nanamelohana ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka Ravalomanana Marc. Tsy nasiana sira kosa, araka ny voambolana malaza, hatramin’izao ny tranga niseho tamin’ny 26 janoary 2009 izay notarihan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra tamin’izany.

Babo an’ady

Efa tena ao anatin’ny fampihavanam-pirenena tarihan’ny FFKM anefa ny firenena Malagasy ankehitriny ka inoana ny hivoahan’ny tena marina mikasika ireo raharaha rehetra goavana nanamarika ny tantaran’i Madagasikara tato anatin’ny 5 taona ka anisan’izany ny 26 janoary 2009, ny 7 febroary 2009, 20 mey 2010, raharaha BANI niaraka tamin’ny fahaverezana basy sy fiara 4x4 nandritra ny nisamboran’ny FIS sy ny “Garde présidentielle”  an-dry kolonely Charles Andrianasoavina teo am-pivoriana niaraka tamina manamboninahitra vitsivitsy tao amin’ny biraon’ny lehiben’ity vondron-tafika ity. Babo an’ady ry kolonely Charles Andrianasoavina mbamin-dry Coutity Assolant, izay tanam-polo tamin’io, ary nadoboka tany Tsiafahy avy hatrany. Nisy gazety mpivoaka isan’andro iray nitatitra tamin’ny faran’ny herinandro fa handalo fanadihadiana ara-miaramila ity farany, ka dia tonga amin’ny andrasan’ny maro izany satria azo antoka fa hivoaka eo ny marina momba io raharaha fahaverezam-basy sy fiara 4x4 teny amin’ny BANI io satria tsy maintsy hisy olona maromaro ho voaantso sy hampifanatrehina momba an’izany ary hinoana fa hiitatra hatrany amin’ny fanapoizinana an’ny kolonely Charles tany am-ponja ka nandefasana azy nitsabo tena tany La Réunion tamin’ny desambra 2010 sy ny tsy nandavan’ny fitondrana Malagasy ny saram-pitsaboana azy tany ny raharaha. Fanirian’ny olom-pirenena ny hivoahan’ny tena marina mikasika ireo dosie lehibe nolalovan’ny firenena taorian’ny fanonganam-panajakana tamin’ny 2009, efa samy eto an-toerana avokoa ny rehetra ankehitriny na ireo naongana ka lasa sesitany na ny mpanongana ka ho vavolombelon’ny tantara tokoa ny vahoaka Malagasy. Tafiditra ao anatin’ny 4F (Fieken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana ary Fihavanana) iorenan’ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM rahateo izany, ka mino ny maro fa hivoaka amin’izay ny marina.

Ramano F. sy Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT