Politique

Ankolafy Rajoelina Resy tanteraka !


  • Talata 27 Janoary 2015

Nangina, tsy hita popoka, tsy re feo intsony taorian’ny nitsanganan’ny governemanta ny ankolafy Rajoelina. Tsy isalasalana intsony ny ilazana fa vaky ny ady eo amin-dRajaonarimampianina sy ireo Mapar sisa nanamborana mialokaloka eo ambany hatezeran-dRajoelina.

 

Nitandrintandrina fomba firesaka ihany ny filoham-pirenena teo aloha, fa efa hafa ny lantom-peo nampiasainy ny alahady lasa teo taorian’ny fitsanganan’ny governemanta. Tsapa fa manana antoka ny amin’ny fahamarinan-toeran’ny fitondrany ingahy filoha, hatreto aloha ka tsy hanaiky intsony ny fampihorohoroana ara-politika ataon’ireo mpiara-dia aminy fahiny izay lasa mpanenjika azy ankehitriny. Mibaribary be izao fa sahirana ny ankolafy Rajoelina, manomboka voailika tsikelikely eo amin’ny tontolo politika, tsy dia misy mpanaraka sy mpanontany intsony satria ny lokomanga indray izao no malaza. Ilay sesitany tany Afrika Atsimo koa efa tafaverina ka manomboka manamafy indray ny fototra politikany. Azo heverina fa hanararaotra ny datin’ny 7 febroary indray atsy ho atsy ry Rajoelina sy ny ekipany mba hamendrofendroana ny vahoaka sy hanairana ilay Malagasy olon’ny fo. Dia ho hita eo indray raha hahavita hiarin-doha izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT