Politique

Governemanta Raikitra ny famindram-pahefana


  • Talata 27 Janoary 2015

Ny ampitson’ny nitsanganan’ny governemanta dia efa nanomboka ireo famindram-pahefana teo amin’ireo minisitra teo aloha sy ireo vaovao. Anisan’ny nahavita izany omaly ny tao amin’ny minisiteran’ny mponina etsy Ambohijatovo, teo amin-dRamatoa minisitra teo aloha Eléonore Johasy sy ny vaovao Onitiana Realy.

 Goavana ny asa miandry ny minisitera, manify ihany anefa ny tetibola ampiasainy saingy vita foana ny asa rehefa ao ny fahavononana sy ny fitiavana, hoy Eléonore Johasy. Nandrangaranga ny tsy maintsy hametrahana ny fanjakana tsara tantana, ny mangarahara ary ny vokatra azo tsapain-tanana amin’ny asa atao kosa i Onitiana Realy, mpanao gazety ary lasa minisitra ankehitriny. Tsotsotra kosa kanefa nanan-danja ny famindram-pahefana teny amin’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana teny Ambohidahy teo amin’i Narson Rafidimanana, minisitra teo aloha sy Henri Rabesahala minisitra vaovao. Efa tanteraka omaly tolakandro ihany koa ny famindram-pahefana ho an’ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina teo amin’Atoa isany Jules Etienne (minisitra teo aloha) sy Narson Rafidimanana (minisitra vaovao).

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT