Na dia miova aza ny olona mitantana ny govenemanta eny Mahazoarivo noho ny fanendren’ny filoha Rajaonarimampianina ny praiministra vaovao dia mitohy ihany kosa ny fiaraha-midinika eo
amin’ny fiarahamonim-pirenene Hafari Malagasy sy ity rafitra ity satria dia fantatra fa ho raisin’ny praiministra Ravelonarivo Jean eny an-dapa ny solontenan-dry zareo amin’ny alakamisy tolakandro izao. Araka ny nambaran’Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina dia mahakasika ny tetikasa “Exode urbain” no ho resadresahan’ny roa tonta. Mialohan’izany aloha rahampitso talata 27 janoary maraina dia ny PDS n’ny tanànan’Antananarivo Ny Hasina Andriamanjato no handray an’ity vovonana Hafari Malagasy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.