Politique

Rajhonson Maminiriana Lalŕna ratsy ilay fizarazarana an’Antananarivo iny


  • Alatsinainy 26 Janoary 2015

Tsy nifidy an’ilay lalŕna misy ny fizarazarana an’Antananarivo Renivohitra ny tenako, hoy ny depiote Rajhonson Lantoarijaona Maminiriana Tsitohaina avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, satria efa fantatra fa ratsy iny volavolan-dalŕna iny ary hanimba zavatra be dia be amin’ny fitantanana an’Antananarivo

 . Nivoaka ny efitrano fivoriana izahay, hoy izy, satria natao amboletra ny fifidianana an’io volavolan-dalàna io. Ny fifanarahana tamin’ny fanohanana ny PMP tsy midika hoe  tsy maintsy hitohy amin’ny fanohanana an-jambany ny vondrona parlemantera HVM. Ampy  azy ny fivoahanay ny efitrano hilazana fa tsy afaka hanohana zavatra ratsy izahay. Raha tsiahivina, ny lalàna nitondrana an’Antananarivo tamin’ny taona 1999 dia  manamarina fa afaka nampandroso marina an’Antananarivo ny mpitondra tamin’ny fotoanandrony dia Atoa Marc Ravalomanana fa misy izany te hiafinafina  ao ambadiky ny lalàna amin’izay mety tsy ho fahombiazana. Na eo aza izany, izahay ankolafy Ravalomanana tsy matahotra fifidianana  fa vonona hiatrika izany ka mahazo mahatoky ny vahoakan’Antananarivo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT