Nivoaka ny anaran’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny governemanta Ravelonarivo Jean. Diso fanantenana tamin’ny firafiny ny depiote TIM, hoy ny mpitondra teniny, satria tsy mifandanja amin’ny isan’ny depiote nanolotra ny isan’ny minisitra azon’ny ankolafin-kery isanisany ao amin’io governemanta vaovao io.
Toa zary lasa an-kilabao nefa mba tena manana ny lanjany ny depiote TIM 21 nanao sonia ny fanolorana ny praiminisitra vaovao raha izao hita izao. Omaly alahady hariva moa dia noraisin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teny Faravohitra ireto depiote TIM ireto niaraka tamin’ ireo lehiben’ny antoko TEZA, MFM, AMF3FM. Famangiana voalohany nahazoana alalana avy amin’ny fitondrana izany ka nivoaka avy tamin’ny dinidiniky ny rehetra fa rava ny ankolafy Ravalomanana sy izay rafitra rehetra nitantana azy teo aloha. Mbola hodinihan’ny rehetra kosa ny fandrindrana izay ho fiaraha-miasan’ny antoko rehetra mpanohana an’i Marc Ravalomanana ato ho ato.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.