• Alakamisy 12 Febroary 2015
Politique.Praiminisitra Jean Ravelonarivo Voaroaka teny Tsimbazaza

Tsy afa-nijanona ela fa dia nanao tsidi-pahitra teny amin’ny antenimieram-pirenena fotsiny omaly ny governemanta notarihin’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo, niresaka fotoana fohy tamin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena sy ny birao maharitra ingahy praiminisitra ary dia nirifatra nivoaka ny trano avy eo, sanatria tahaka ireny olona mitsoaka na voaroaka ireny

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 12 Febroary 2015
Politique.CHRISTINE RAZANAMAHASOA « Tsy tafapetraka ny HCJ, mila aongana ny filoha »

Nahitsy fiteny Rtoa Christine Razanamahasoa, depioten’Ambatofinandrahana sady mpandrindra nasionalin’ny MAPAR, nitafa manokana taminay omaly naraina, tetsy Amparibe

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 12 Febroary 2015
Politique.Depiote Jaovato teny Tsimbazaza Soso-kevitra omenay ny fifampidinihana

Nanana ny nambara avokoa ireo solombavambahoaka tonga nivory teny Tsimbazaza tamin’ny fisehoan-javatra nitranga omaly alarobia 11 febroary mikasika ny tsy fahazotoan’ny ankamaroan’izy ireo hihaino ny tatitra tokony ho nataon’ny praisministra Ravelonarivo Jean voafaritra anatin’ny lahadinika hodinihana amin’izao fivoriana tsy ara-potoana faharoa hatrehan’izy ireo izao

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 12 Febroary 2015
Politique.Fivorian’ny depiote miteny Frantsay Raherisoa Vololona Victorine no nisolotena an’i Madagasikara

Tafaverina an-tanindrazana ny talata teo rehefa nivahiny henemana tany Vallée d’Aoste any Italia ny depioten’i Madagasikara Raherisoa Vololona Victorine voafidy teny amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo. Voatendy hisolontena ny parlemantera malagasy izy nanatrika ny fivorian’ny vehivavy parlemantera miteny frantsay atao hoe :

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 12 Febroary 2015
Politique.Fitondrana ankehitriny Mitohy ny tsy fanarahan-dalàna

Voasaron’ny fifidianana noteren-ko masaka fotsiny hatreto ny fiverenan’ny firenena Malagasy ao anatin’ny valan’ny Lalàmpanorenana. Mbola miorim-paka ao anatin’ireo mpitondra fanjakana ankehitriny mantsy ny finiavana tsy te-hiala amin’ny fanitsahan-dalàna izay nahazo vahana hatramin’ny taona 2009

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 12 Febroary 2015
Politique.Fangatahan’ny gadra politika onitra “Tsy laharam-pahamehana amiko”, hoy ny Jeneraly Raoelina

Heno indray tato ho ato ny fitsanganan’ny vondron’ireo gadra politika hafa hitaky manokana onitra izay heverin’izy ireo fa zo tokony homena azy noho ny fahavoazany nandritra ny fotoana naharitra nihibohany tany am-ponja.

Hamaky ny tohiny
FTT